jeudi 3 octobre 2013

Asa an-kafaliana, fahafinaretana eh !


Ny Croix-Rouge Malagasy dia mpanao asa soa

Mahafoy tena ho an’ny olon-drehetra ary an-tsitrapo

Efa henika ny tambazotra manerana ny Nosy

Tsy diso anjara amin’izany ny eto Antanifotsy


Distrika iray ao anatin’ny faritra Vakinankaratra

Mijoro ny Croix-Rouge ary miezaka ny ho fitaratra

Indrindra anefa rehefa tong any fanadinana ara-panatanjahantena

Mandritra ny vonjy taitra tsy mitongilana ireo vokovoko mena


Tao ihany koa ireo loza voajanahary

Tsy afa-miala amin’ireo traboina fa toy ny rano sy vary

Manaitra sy mampiomana raha misy loza manambana

Na iza, na iza iharan’ny hafatra fa tsy manavangavana


Croix-Rouge ve? Kinga sy mahay ary vonona hatrany

Izany mihitsy eh! Dina mampiray ny ambony sy ny ambany

Mpilatsaka an-tsitrapo akaiky sy mpanampy ny vahoaka

Tanora, zatovo, olon-dehibe eo fona tsy misy mitsoaka


Tsy kivy antsoina andro dia andro

Antsoina alina dia alina

Rehefa dify ny masoandro

Ny asa ataony efa voalamina

Mazoto hatrany tsy mitarain-tana-miepaka

Mbola faly hatrany lavitra azy ny ho ketraka.


MIANGALY FAHASOAVANA (Rakotomandimby Harinantenaina Riri)
Mpikambana CRM distrika Antanifotsy

mardi 1 octobre 2013

Taking first aid to the roads of Madagascar


 
As part of activities to mark World First Aid Day, the Malagasy Red Cross Society and the National Agency for Transportation teamed up to raise awareness of truck and bus drivers on how to save lives on the road. The theme for the World First Day 2013 was first aid and road safety. For two days, 50 drivers received training in first aid that will give them skills to provide immediate aid in the event of a road accident or any other emergency, and help prevent unnecessary loss of life.
 
“First aid is very helpful after a road accident. It is important to know what to do immediately,” added Haja, a first aid trainer with the Malagasy Red Cross Society.
Road traffic accidents have become a major killer in Madagascar. Even as drivers were getting trained in first aid, a collision in northern Madagascar claimed the lives of 19 and left several others with injuries.
“It is very important to introduce first aid at all stages of a person's life, including the workplace and at home,” said Claude Rakotondranja, President of Malagasy Red Cross Society.
Activities culminated in celebrations during which the general public was encouraged to get trained and raise the importance of first aid in Madagascar. Some of the truck and bus drivers also demonstrated what they learned during the training.
 
Mbola R.