jeudi 30 octobre 2014

Manakara: notsaboina ireo voan'ny " fistule obsetricale"



 Nahazo fitsaboana ireo voan'ny aretina "mamany lava"
Tamin’ny 12 jolay teo dia tonga tany Manakara ny Praminisitra KOLO Roger nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa iray izay iarahan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana sy ny FNUAP ary ny PAM  manao dia ny fitsaboana ireo vehivavy “Mamany Lava”  vokatry ny faharovitan’ny tatavia na  Fistule Obstétricale  .
 Aretina tena mamparefo ny vehivavy avy  any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany tokoa izy ity satria dia fototry ny mampikorontana ny fiainam-pianakaviana raha tojo io aretina io ny renim-pianakaviana noho ny fisian´ny fofona tsy laitra manerana ny trano fonenana ka tafiditra indrindra amin´ny filan´ny faritra ity tetikasa ity.
Mpitsabo mpandidy maro no tonga tany Manakara manao  fandidiana ireo vehivavy tratran’ity aretina mamany lava. Raha vehivavy 100 no no vinavinaina hodidiana dia efa 130 no tonga eto tao amin’ny Hopitaly Manakara. Nanoloana io tranga io dia nangataka tamin’ny Croix-Rouge Malagasy ny Talem-paritry ny Fahasalamana mba hanaovana trano lay hitoeran’ireo olona izay hotsaboina satria efa tsy antonona intsony itoeran´ireo marary intsony ny hopitaly.
Nanao izany asa izany ireo mpilatsaka an-tsitrapo ny Croix-Rouge Malagasy ka trano lay miisa 02 no napetraka teny amin’ny hopitaly. Marary miisa 30 no nampiantranoana ary mpilatsaka an-tsitrapo miisa 06 no nifarimbona nanangana ny trano lay tamin’izany.

(sary FNUAP)
Fanentanana @ fahadiovana sy ny fidiovana
Nitohy hatrany ny asa fanentanana eny anivon’ny mpiara-belona na ny “Service Volontaire”  izay hataon’ireo mpilatsaka an-tsitrapo eto  amin’ny kaominina Manakara . Atao isam-bolana izy ity ka ny Fokontany Ampilao misy ny kartie Merna no notsidihana tamin’ny volana jolay.
Ity toerana nanaovana asa fanentanana ity dia eny moron-dranomasina no misy azy ary ao anelanelan’ny lakan-dranon’ny Pangalanina sy amoron-dranomasina , any avaratry Manakara no misy ity Fokontany ity  ka tena marefo amin´ny fiakaran´ny rano tokoa ity toerana ity raha vao mirotsaka andro maromaro ny orana.
Ankoatr´izany dia tsy misy manana lavam-piringa ny mponina eny an-toerana fa dia mbola manao fangerena an-kalamanjana, ny rano fisotro madio dia tsy misy fa vovo roa  tsy manara-penitra sy eny an-tanimbary  no mantsaka ny Mponina , ireo fako dia miparitaka etsy sy eroa ka izany indrindra  no nahantonga ny Croix-Rouge Malagasy nanao asa fanentanana teny an-toerana  ka tokantrano niisa 25 no notsidihany Croix –Rouge Malagasy nanaovana fanentanana tamin’izany ka niisa 123 ireo olona voaentana tamin’izany ka lehilahy ny 65 ary vehivavy kosa ny 58 . Vangivangy arahin-dinika na VAD no fomba nanaovana fanentanana tamin’izany ka mpirotsaka an-tsitrapo miisa 10 no niasa tamin’izany. Nisy ihany koa ny fanetanana manokana ireo ankizy madinika sy ny firesahana manokana tamin’ny sefo kartie satria dia tena maloto tokoa ity tanàna nanaovana fitsidihana ity ka mila hanaovana asa fanadiovana faobe farany izay haingana mba hisoroana ny mety hampirongatra ireo aretina maro samihafa.
VONJY Tsivalia Hajanirina

vendredi 5 septembre 2014

Ny tsara ho fantatra mikasika ny aretina EBOLA






Inona ny atao hoe aretina Ebola?

  • Mbola tsy nahitanà tranga kosa eto Madagasikara hatramin’izao fotoana izao
  • Tamin’ny taona 1976 no nahitana trangan’ity aretina ity voalohany. Araka ny fantatra dia ny Ramanavy « frigivores » no mitondra ny tsimok’aretina Ebola
Ahoana ny fifindran’ny Ebola?
  • Ny Ebola dia mifindra amin’ny fifampikasohana amin’ny rano tsiranoka mivoaka amin’ny vatan’olombelona toy ny : hatsembohana, rà, pipi, kàkà, rora sy tsirin’ain’ny lehilahy (sperme)
  • Mety mifindra amin’ny fampiasana fitaovana avy nampiasaina tamin’ny olona voan’ny Ebola ka tsy voadio ihany koa toy ny : fitafiana, fandriana, lamba firako
  • Ny Ebola dia areti-mandoza ary mifindra. Efa firenena 5 izao no misy azy any Afrika: Sierra Leona, Liberia, Guinée, Congo sy Senegal.
  • tra, fanjaitra fanindronana…
  • Tsy mifindra amin’ny rivotra ny Ebola. Fa ny olona nifandray mivantana tamin’ny olona voa no ahiana hifindrany
  • Ny razan’ny olona voan’i Ebola ihany dia mbola mitahiry ny tsimok’aretina ka mamindra. Mila mitandrina


Iza no tena ahiana ahazo ny Ebola?
  • Mpiasan’ny fahasalamana
  • Fianakaviana sy ireo olona mifanerasera akaiky amin’ny olona voan’i Ebola

Ahoana ny fisehon’i Ebola ?
  • Manavy be tampoka. Mahatsiaro havizanana be tampoka ny vatana. Marary an-doha sy tenda. Ireo no fisehon’ny voalohany
  • Avy eo dia lasa mandoa matetika, mivalana be, ary mety manao vaky rà (hémmoragie) anatiny ka mety ho hita mivoaka ety ivelany, na tsia
  • Eo amin’ny 2 hatramin’ny 21 andro ny fotoana fiotrehan’ny tsimok’aretina ao anaty vatana mialoha ny hisehoany ety ivelany (période d’incubation).
  • Mamindra avy hatrany ilay olona vantany vao miseho ireo tranga voalaza ery ambony ireo. Tsy mamindra kosa anefa mandritra ny fotoana fiotrehan’nt tsimok’aretina ao anaty vatana
  • Misy hitovizana amin’ny fisehon’ny Tazomahery sy ny Cholera ny Ebola. Raha mahatsikaritra olona toa ny voan’ny tazo na choléra ianao eo amin’ny manodidina anao dia amporisiho hanantona tobim-pahasalamana haingana dia haingana sao sanatria Ebola
Ahoana ny fomba fitsaboana ny Ebola?

  • Mbola tsy misy fitsaboana tena sahaza ny Ebola ankehitriny. Tsy mbola misy vakisiny ihany koa
  • Satria very rano be ilay marary vokatry ny fandoavana sy ny fivalalana matetika dia ezahina hampidirana rano araka izay azo atao ny vatany hanolona ny rano very
  • Omen’ny mpitsabo fanafody manamaivana ny fanaintanana sy mampijanona ny vaky rà ny marary
  • Satria maharitra 2 hatramin’ny 21 andro ny fotoana fiotrehan’ny tsimok’aretina dia tokony arahimaso akaiky ihany koa ny fahasalaman’ny fianakaviany sy ireo olona mifaneserasera akaiky amin’ny marary
  • Ny olona iray tratran’ny aretina Ebola dia mety ho voatsabo raha toa ka mamonjy tobim-pahasalamana vantany vao miseho ny trangan’aretina
  • Ho fisorohana ny fihanahan’i Ebola dia tsy maintsy hatoka-monina ireo olona ahiana hitondra ny tsimok’aretina sy ireo efa marary
Tsy maintsy maty ve ny olona voan’ny aretina Ebola?
  • Na dia efa maro ary ireo olona matin’ny aretina Ebola dia misy dia misy tokoa ireo olona nahatohitra ny aretina
  • Ny lehilahy avy sitran’ny Ebola kosa dia mety hamindra amin’ny vadiny na ny sakaizany amin’ny alalan’ny tsirin’aina (sperme), ao anatin’ny 7 herinandro aorian’ny nahasitranany. Noho izany dia entanina izy ireo tsy hanao firaisana ara-nofo mandritra ny 7 herinandro na hampiasa fimailo
  • Rehefa misy mampiahiahy dia tsara foana ny manantona toeram-pitsaboana avy hatrany
Inona no tokony hatao tsy ahazoana io aretina io?

  • Raha mahita olona mampiahiahy ianao eo amin’ny fiaraha-monina misy anao dia entano avy hatrany hanantona tobim-pahasalamana tsy misy hatak’andro.
  • Sasao matetika amin’ny rano mafana sy ny savony ny tanana rehefa avy any amin’ny toeram-pivoahana sy mialoha ny hikarakarana sakafo
  • Fadio ny mihinana biby maty tsy fantatra antony na mikirakira fatim-biby
  • Ataovy tsara masaka hatrany ny hena vao hohanina
  • Ampahafantaro ny manodidina anao fisehon’ny aretina Ebola

 Mety hamindra ve ny razan’ny olona voan’i Ebola?
  • ENY
  • Fadio ny mikasika olona matin’i Ebola fa tena mamindra tokoa
  • Raha azo atao dia aza manatrika ny fandevenana
  • Raha tsy maintsy manatrika ny fandevenana ianao dia manaova akanjo lava tanana sy pataloha lava ary aza mikasikasika ny razana.
Fa nahoana ireo mpiasan’ny fahasalamana mikarakara ny mararin’ny Ebola no manao ireny fitafy misalobona be ireny ?
  • Tsy maintsy manao ireny fitafiana misalobona be ireny tokoa ny mpiasan’ny fahasalamana mikarakara ny mararin’ny Ebola mba tsy hifindran’ny tsimok’aretina amin’izy ireo.
  • Ireo olona rehetra izay mikarakaraka ny marary ihany koa dia tokony hanao izany mba tsy hifindran’ny aretina aminy
  • Aoka ho ireo tompon’andraikitra efa voahofana amin’izany ihany no hikirakira ny razan’ireo olona matin’ny aretina Ebola

FICR / Nadikan’ny Serasera CRM
Septambra 2014