mardi 17 septembre 2013

Tanora Croix-Rouge Malagasy : Nahazo ainga vao


Notanterahina ny 4 hatramin’ny 7 septambra lasa teo ny fihaonana voalohan’ny tanoran’ny Croix-Rouge Malagasy (CRM). Tanora mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny faritra 19 no nantsoina handray anjara tamin’izany fihaonana izay natao teny Maibahoaka Ivato, Antananarivo.
 Ny tanjon’ny fihaonana dia fanomezana ainga vao indray ny sampana “tanora CRM ” tamin’ny alalan’ny famolavolana paikady sy politika ifehy ity sampana ity. Maro ny fanamby napetraka tamin’ireto tanora ireto sy ny asa izay notanterahina nandritra ny fihaonana. 

Fandalinana ny Ainga « tanora Croix-Rouge/Croissant-Rouge »
Anisan’ny takiana amin’ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo , indrindra fa ireo voafidy hitarika ny sampana « tanora CRM » ny fahafantarana tsara ny antom-pisian’ny Ainga « tanora Croix-Rouge/Croissant-Rouge », ny tantarany sy ny drafitra novolavolaina mahakasika izany.
Zava-baovao no azo, ary hozaraina amin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo rehetra any amin’ny faritra” ; raha niteny izany ny mpandray anjara iray dia tsapa avy hatrany fa zava-dehibe ny fahafantarana ny « tanora Croix-Rouge/Croissant-Rouge » ahafahana mandrindra ireo tetikasa izay hatao. Manamarina ihany koa izany fa ilaina ny fifampizaràna ireo zava-baovao azo avy amin’ny samy mpilatsaka an-tsitrapo.
Lohahevitra somary sarotra ihany raha ity « tanora Croix-Rouge/ Croissant-Rouge” ity, koa mba hampahavitrika ny mpandray anjara sy hanamafy ny fahazoan’izy ireo dia narahina fampisehoana sarimihetsika fohy  ny famelabelarana.

Fampahafantarana ny endriky ny fiofanana YABC (youth agent of behaviour change)
Na dia efa nisy aza ireo mpilatsaka an-tsitrapo mpampiofana YABC avy amin’ny faritra vitsivity, dia nanokanana fotoana ihany tamin’ity fihaonana ity hampahafantarina izany ho an’ireo mbola tsy mahalala sy ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo efa mpampiofana. 
Tsy nahagaga ny fahavitrian’ireo mpandray anjara tamin’ireo hetsika natao satria tsy famelabelarana fotsiny ny YABC fa famporisihana indrindra ny tsirairay handray sy hanampariaka ny toetra “mandà ny herisetra amin’ny alalàn’ny lalao sy ny famoronana”. 

“Tanora CRM” fizarana ny zava-bita
Anisan’ny antony lehibe nanatanterahana ity fihaonana ity ny ahafahana mametraka sehatra ho an’ny mpandray anjara hifampizarana ny zava-bita eo anivon’ny faritra misy azy avy.  Hita araka izany fa na dia misy aza ny finiavana hanao zavatra sy ny hananganana tetikasa eo amin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo tanora dia mbola tsy afaka nanao izany izy ireo.
Maro ireo olana nosedrainy mahatonga izany, toy ny tsy fahampiana ara-pitaovana: efitra hivoriana, solosaina, mari-pamantarana (T-shirt, banderole,… ) sy ny tsy fahafehezana ireo fepetra fananganana sy fanatanterahana tetikasa.
Fanamby napetraka taorian’ity fihaonana ity araka izany ny fananganana tetikasa izay hotontosain’ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny CRM sy mifanandrify amin’ireo olana sedrain’ny tanora eny anivon’ny fiaraha-monina. 

Fandrafetana ny “Politique Jeunesse Croix-Rouge Malagasy”
Singa hitsarana ny « Société Nationale » iray ny fananany ny « Politique Jeunesse ». Raha efa manana izany avokoa ny ankamaroan’ny firenena eto dia mbola tsy manana izany isika CRM.
Ity fihaonana ity dia sehatra iray nahafahan’ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo, voafidy hitarika sampana “tanora” eo amin’ny faritra misy azy avy, handrafitra ny “Politique Jeunesse CRM”.  Ny roa andro namaranana ny atrikasa no natokana ho an’izany ka famelabelarana narahina adi-hevitra sy asa isan-tsokajy no nandaminana ny asa.  

Ny « Politique Jeunesse » dia manamarina ny antom-pisian’ny « tanora CRM », mametraka ny rafitra misy ao aminy sy mamaritra ny sehatr’asany. Izany indrindra no tokony ho antony hanaovana laharam-pahamehana ny fandrafetana sy ny fankatoavana izany « Politique Jeunesse » izany.
Na dia naharitra aza ny adi-hevitra dia faly avokoa ireo mpandray anjara raha nahavita nandrafitra ity « Politique jeunesse » ity. Manamarina izany i Hoby, solontenan’ny  faritra Vakinankaratra : « Sarotra ny namoahana ity Politique Jeunesse ity, fa nahazo torolalana hatrany izahay tamin’ny fandrafetana azy. Mahatoky ny asa vitanay teto izahay ary mahatoky fa hahazo fankatoavina ity Politique Jeunesse ity amin’ny fivoriamben’ny CRM”.
Azo lazaina izany fa tratra avokoa ny tanjona napetraka tamin’ity fihaonana voalohany ity. Dingana lehibe ho an’ny tanora CRM ny nahavitàna izany sy ny fankatoavina ny « Politique Jeunesse » fa indrindra, ainga vao ho an’ireo tanora ary amporisika azy ireo amin’ny fanantanterahana hatrany ny asa an-tsitrapo. 
Amintsoa R.

mercredi 21 août 2013

Projet Tsinjo Aina: les événements marquants de ces dernières semaines

030/07/13 : le projet Tsinjo Aina a équipé les secouristes de la CRM avec des trousses de secours complets:
Antsohihy: 10 trousses, Befandriana nord: 20 trousses, Mandritsara: 20 trousses et Mampikony: 20 trousses

02/08/13 : équipement des fokontany d'intervention du Tsinjo Aina et CRM locale en:
Mégaphone pour la sensibilisation et alerte précoce.



03/08/13: le directeur régional de l'eau à Mandritsara a visité les réalisations de la Croix-Rouge Malagasy (CRM) sur le wash et la réduction des risques des catastrophes à savoir la gestion communautaire des bornes fontaines construites par la CRM et le site d'hébergement.  Il s’est ensuite entretenu avec le président de la CRM district de Mandritsara, Tsianefitra  Alexandre, et des représentants des bénéficiaires.





03/08/13 : visite du directeur développement régional (DDR) et du directeur régional de l'eau à Befandriana nord pour constater de visu les réalisations de la CRM, suivi d'une rencontre avec la présidente de la CRM district de Befandriana Nord, Razafinarivo Patricia, et les autorités étatiques au niveau du district (chef district, maire et président de fokontany) et les représentants des bénéficiaires, leurs rapports sont en attentes.


06/08/13 : réalisation de l’étude de la vulnérabilité et des capacités dans les fokontany Tanetilava et Ambodisatrana district Mampikony.