Notanterahina ny 4 hatramin’ny 7 septambra lasa teo ny fihaonana
voalohan’ny tanoran’ny Croix-Rouge Malagasy (CRM). Tanora mpilatsaka
an-tsitrapo avy amin’ny faritra 19 no nantsoina handray anjara tamin’izany
fihaonana izay natao teny Maibahoaka Ivato, Antananarivo.
Ny tanjon’ny
fihaonana dia fanomezana ainga vao indray ny sampana “tanora CRM ” tamin’ny
alalan’ny famolavolana paikady sy politika ifehy ity sampana ity. Maro ny
fanamby napetraka tamin’ireto tanora ireto sy ny asa izay notanterahina
nandritra ny fihaonana.
Fandalinana ny Ainga « tanora
Croix-Rouge/Croissant-Rouge »
Anisan’ny takiana amin’ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo ,
indrindra fa ireo voafidy hitarika ny sampana « tanora CRM » ny
fahafantarana tsara ny antom-pisian’ny Ainga « tanora Croix-Rouge/Croissant-Rouge »,
ny tantarany sy ny drafitra novolavolaina mahakasika izany.
“Zava-baovao no azo,
ary hozaraina amin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo rehetra any amin’ny faritra” ;
raha niteny izany ny mpandray anjara iray dia tsapa avy hatrany fa zava-dehibe
ny fahafantarana ny « tanora Croix-Rouge/Croissant-Rouge » ahafahana
mandrindra ireo tetikasa izay hatao. Manamarina ihany koa izany fa ilaina ny
fifampizaràna ireo zava-baovao azo avy amin’ny samy mpilatsaka an-tsitrapo.
Lohahevitra somary sarotra ihany raha ity « tanora
Croix-Rouge/ Croissant-Rouge” ity, koa mba hampahavitrika ny mpandray anjara sy
hanamafy ny fahazoan’izy ireo dia narahina fampisehoana sarimihetsika fohy ny famelabelarana.
Fampahafantarana ny endriky ny fiofanana YABC
(youth agent of behaviour change)
Na dia efa
nisy aza ireo mpilatsaka an-tsitrapo mpampiofana YABC avy amin’ny faritra
vitsivity, dia nanokanana fotoana ihany tamin’ity fihaonana ity
hampahafantarina izany ho an’ireo mbola tsy mahalala sy ho fanamafisana ny
fahaiza-manaon’ireo efa mpampiofana.
Tsy
nahagaga ny fahavitrian’ireo mpandray anjara tamin’ireo hetsika natao satria
tsy famelabelarana fotsiny ny YABC fa famporisihana indrindra ny tsirairay handray
sy hanampariaka ny toetra “mandà ny
herisetra amin’ny alalàn’ny lalao sy ny famoronana”.
“Tanora CRM” fizarana ny zava-bita
Anisan’ny
antony lehibe nanatanterahana ity fihaonana ity ny ahafahana mametraka sehatra
ho an’ny mpandray anjara hifampizarana ny zava-bita eo anivon’ny faritra misy azy
avy. Hita araka izany fa na dia misy aza
ny finiavana hanao zavatra sy ny hananganana tetikasa eo amin’ireo mpilatsaka
an-tsitrapo tanora dia mbola tsy afaka nanao izany izy ireo.
Maro ireo
olana nosedrainy mahatonga izany, toy ny tsy fahampiana ara-pitaovana: efitra
hivoriana, solosaina, mari-pamantarana (T-shirt, banderole,… ) sy ny tsy
fahafehezana ireo fepetra fananganana sy fanatanterahana tetikasa.
Fanamby
napetraka taorian’ity fihaonana ity araka izany ny fananganana tetikasa izay hotontosain’ireo
tanora mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny CRM sy mifanandrify amin’ireo olana
sedrain’ny tanora eny anivon’ny fiaraha-monina.
Fandrafetana ny
“Politique Jeunesse Croix-Rouge Malagasy”
Singa hitsarana ny « Société Nationale » iray
ny fananany ny « Politique Jeunesse ». Raha efa manana izany avokoa
ny ankamaroan’ny firenena eto dia mbola tsy manana izany isika CRM.
Ity fihaonana ity dia sehatra iray nahafahan’ireo tanora
mpilatsaka an-tsitrapo, voafidy hitarika sampana “tanora” eo amin’ny faritra
misy azy avy, handrafitra ny “Politique Jeunesse CRM”. Ny roa andro namaranana ny atrikasa no natokana
ho an’izany ka famelabelarana narahina adi-hevitra sy asa isan-tsokajy no
nandaminana ny asa.
Ny « Politique Jeunesse » dia manamarina ny antom-pisian’ny
« tanora CRM », mametraka ny rafitra misy ao aminy sy mamaritra ny
sehatr’asany. Izany indrindra no tokony ho antony hanaovana laharam-pahamehana
ny fandrafetana sy ny fankatoavana izany « Politique Jeunesse »
izany.
Na dia
naharitra aza ny adi-hevitra dia faly avokoa ireo mpandray anjara raha nahavita
nandrafitra ity « Politique jeunesse » ity. Manamarina izany i Hoby,
solontenan’ny faritra Vakinankaratra : « Sarotra ny namoahana ity Politique Jeunesse
ity, fa nahazo torolalana hatrany izahay tamin’ny fandrafetana azy. Mahatoky ny
asa vitanay teto izahay ary mahatoky fa hahazo fankatoavina ity Politique
Jeunesse ity amin’ny fivoriamben’ny CRM”.
Azo lazaina
izany fa tratra avokoa ny tanjona napetraka tamin’ity fihaonana voalohany ity. Dingana
lehibe ho an’ny tanora CRM ny nahavitàna izany sy ny fankatoavina ny
« Politique Jeunesse » fa indrindra, ainga vao ho an’ireo tanora ary amporisika
azy ireo amin’ny fanantanterahana hatrany ny asa an-tsitrapo.
Amintsoa R.