lundi 9 juillet 2012

Vaovao Vatovavy Fitovinany

Fankalazana ny fetin'ny Asa
Niavaka tokoa ny fankalazana ny 01 volana mey «  fetin’ny asa «  taty amin’ny renivohitry ny faritra Vatovavy Fitovinany tamin’ity taona 2012 ity. Nisy ny asa fanadiovana faobe natao teto Manakara tamin’io 01 volana Mai io ka ny teo anivon’ny Faritra sy ny  fiadidiana ny kaominina Ambonivohitry Manakara no nitarika ny asa. Nanotrona kosa ireo talem-paritra isaky ny Ministera sy ireo Mpiara-miombon'antoka. Nandray anjara feno tamin’io hetsika fandiovana faobe io ny Croix-Rouge Malagasy kaominina Manakara . Araka ny fandaminana moa dia famatsiana fitaovana ho entina miasa no anjara nampisahanina ny Croix–Rouge Malagasy , koa dia nisy ary ny fampitaovana ny fitaovana toy ny borety, râteau, sobika , kofafa izay nampiasaina nandritra ny asa. Nahatratra 25 ireo mpilatsaka an-tsitrapo nandray anjara tamin’io asa io izay notarihin’ny mpandrindra-paritra .
Ady amin'ny tazomoka
Nakalazaina  teto Manakara ny faha 07 volana mey 2012 ny andro iraisam-mpirenena hiadiana amin’ny Tazo moka. Hetsika maro no natao teto Manakara tamin’io fankalazana io . Nisy ny «  Caravane de sensibilisation » izay niainga avy tany Antananarivo nandalo tao Ifanadiana sy Mananjary ary nipaka teto Manakara ny 6 mey teo. Nisy ihany koa ny niainga avy tany Farafangana nandalo tao Vohipeno ary tonga teto Manakara ny 6 mey ihany koa. Nandritra io fandalovan’io «  caravane de sensibilisation »  tany amin’ny distrika moa dia tonga nandray anjara tamin’ny hetsika hatrany ny Croix-Rouge Malagasy isaky ny distrika. Ny 07 Mai kosa izay ivon’ny fankalazana dia tonga taty Manakara nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Fahasalamana sy ireo mpiara-miombon’antoka maro toy ny OMS , FNUAP sy ny maro hafa tsy voatanisa. Nisy ny carnaval sy ny fanentanana samihafa nanodidina ny tanana’ny Manakara ary nifarana tao amin’ny kianjan’ny demokrasia  ary dia nisy ihany koa ireo kabary samihafa  sy fampirantiana izay nokarakarain’ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa. Ny tolakandro kosa dia nisy fampisehoana nataon’ny tarika Da’ Tokotry sy Tsiliva izay nahavory olona maro be tokoa. Nisy ihany koa ny " conférence scientifique "  izay notanteraina teny amin’ny Birao ny TIAVO teny Manakara be ny tolakandro io ihany. Nandray anjara feno tamin’ny hetsika rehetra moa ny Croix-Rouge Malagasy teto Manakara ka 6 mey  dia nisy ny fanganana ny trano eva isan-karazany,  ny andron’ny 7 mey kosa dia nanatanteraka ny « Poste de Secours » ka nahatratra 16 ireo  mpilatsaka an-tsitrapo nifarimbona tamin’ izany asa vonjy voina izany.

VONJY Hajanirina
Coordonnateur Régional

jeudi 5 juillet 2012

CRM Ambohijanaka: des PPN pour les vulnérables

Dans le cadre de la célébration de la fête nationale, les membres et les volontaires de la Croix-Rouge Malagasy (CRM), branche Ambohijanaka, région Analamanga a pensé aux personnes vulnérables de cette commune. Aussi, le vendredi 22 juin dernier, la CRM a distribué 1kg de riz, 1 sachet de sel fin, 1/4kg de viande et 2 vêtements pour chacune des 60 personnes vulnérables de la commune d’Ambohijanaka. Les effets vestimentaires et le sel fin ont été offerts par les membres et les volontaires tandis que la viande et le riz ont été achetés par le budget de l’association.

Outre cette distribution de dons, les membres et les volontaires de la CRM Ambohijanaka ont également prêté main forte au centre de santé de base niveau II (CSB II) le jeudi 28 juin 2012. Par la même occasion, ils ont rappelé les gestes sur le lavage des mains avec du savon aux gens qui se rendaient au CSB et aux élèves de l’école catholique Saint Jean.
Ces manifestations ont été rehaussées de la présence du maire de la commune d’Ambohijanaka et des chefs de Fokontany.