Fankalazana ny fetin'ny Asa
Niavaka
tokoa ny fankalazana ny 01 volana mey « fetin’ny asa « taty amin’ny
renivohitry ny faritra Vatovavy Fitovinany tamin’ity taona 2012 ity. Nisy ny
asa fanadiovana faobe natao teto Manakara tamin’io 01 volana Mai io ka ny teo
anivon’ny Faritra sy ny fiadidiana ny kaominina Ambonivohitry Manakara no
nitarika ny asa. Nanotrona kosa ireo talem-paritra isaky ny
Ministera sy ireo Mpiara-miombon'antoka. Nandray anjara feno tamin’io hetsika
fandiovana faobe io ny Croix-Rouge Malagasy kaominina Manakara . Araka ny
fandaminana moa dia famatsiana fitaovana ho entina miasa no anjara
nampisahanina ny Croix–Rouge Malagasy , koa dia nisy ary ny fampitaovana ny
fitaovana toy ny borety, râteau, sobika , kofafa izay nampiasaina nandritra ny
asa. Nahatratra 25 ireo mpilatsaka an-tsitrapo nandray anjara tamin’io asa io
izay notarihin’ny mpandrindra-paritra .
Ady amin'ny tazomoka
Nakalazaina
teto Manakara ny faha 07 volana mey 2012 ny andro iraisam-mpirenena hiadiana
amin’ny Tazo moka. Hetsika maro no natao teto Manakara tamin’io fankalazana io
. Nisy ny « Caravane de sensibilisation » izay niainga avy tany Antananarivo
nandalo tao Ifanadiana sy Mananjary ary nipaka teto Manakara ny 6 mey teo. Nisy
ihany koa ny niainga avy tany Farafangana nandalo tao Vohipeno ary tonga teto
Manakara ny 6 mey ihany koa. Nandritra io fandalovan’io « caravane de
sensibilisation » tany amin’ny distrika moa dia tonga nandray anjara
tamin’ny hetsika hatrany ny Croix-Rouge Malagasy isaky ny distrika. Ny 07 Mai
kosa izay ivon’ny fankalazana dia tonga taty Manakara nanome voninahitra ny
fotoana ny Minisitry ny Fahasalamana sy ireo mpiara-miombon’antoka maro toy ny
OMS , FNUAP sy ny maro hafa tsy voatanisa. Nisy ny carnaval sy ny fanentanana
samihafa nanodidina ny tanana’ny Manakara ary nifarana tao amin’ny kianjan’ny
demokrasia ary dia nisy ihany koa ireo kabary samihafa sy
fampirantiana izay nokarakarain’ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa. Ny
tolakandro kosa dia nisy fampisehoana nataon’ny tarika Da’ Tokotry sy Tsiliva
izay nahavory olona maro be tokoa. Nisy ihany koa ny "
conférence scientifique " izay notanteraina teny amin’ny Birao ny
TIAVO teny Manakara be ny tolakandro io ihany. Nandray anjara feno tamin’ny
hetsika rehetra moa ny Croix-Rouge Malagasy teto Manakara ka 6 mey dia
nisy ny fanganana ny trano eva isan-karazany, ny andron’ny 7 mey kosa dia
nanatanteraka ny « Poste de Secours » ka nahatratra 16 ireo
mpilatsaka an-tsitrapo nifarimbona tamin’ izany asa vonjy voina izany.
VONJY Hajanirina
Coordonnateur
Régional
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire