jeudi 3 octobre 2013

Asa an-kafaliana, fahafinaretana eh !


Ny Croix-Rouge Malagasy dia mpanao asa soa

Mahafoy tena ho an’ny olon-drehetra ary an-tsitrapo

Efa henika ny tambazotra manerana ny Nosy

Tsy diso anjara amin’izany ny eto Antanifotsy


Distrika iray ao anatin’ny faritra Vakinankaratra

Mijoro ny Croix-Rouge ary miezaka ny ho fitaratra

Indrindra anefa rehefa tong any fanadinana ara-panatanjahantena

Mandritra ny vonjy taitra tsy mitongilana ireo vokovoko mena


Tao ihany koa ireo loza voajanahary

Tsy afa-miala amin’ireo traboina fa toy ny rano sy vary

Manaitra sy mampiomana raha misy loza manambana

Na iza, na iza iharan’ny hafatra fa tsy manavangavana


Croix-Rouge ve? Kinga sy mahay ary vonona hatrany

Izany mihitsy eh! Dina mampiray ny ambony sy ny ambany

Mpilatsaka an-tsitrapo akaiky sy mpanampy ny vahoaka

Tanora, zatovo, olon-dehibe eo fona tsy misy mitsoaka


Tsy kivy antsoina andro dia andro

Antsoina alina dia alina

Rehefa dify ny masoandro

Ny asa ataony efa voalamina

Mazoto hatrany tsy mitarain-tana-miepaka

Mbola faly hatrany lavitra azy ny ho ketraka.


MIANGALY FAHASOAVANA (Rakotomandimby Harinantenaina Riri)
Mpikambana CRM distrika Antanifotsy

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire