jeudi 17 juillet 2014

Andro iraisam-pirenena hoan’ny Mponina tany Manakara : nandray anjara feno ny CRM

Natao tany Manakara, faritra Vatovavy Fitovinany ny fankalazana nasionaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Mponina ka ny minisitry ny Mponina sy mpikambana maro ao amin’ny governemanta no tonga nanatrika izany.
Ny 10 Jolay  dia efa tonga nitsidika ny biraom-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tany ny minisitry ny Mponina  ka nijery manokana ny toerana natokana ho fialambolin’ny tanora sady nitafa tamin’ireo tomponandraikitra ary ireo tanora.
Nisy ihany koa ny fitsidihana ny Centre Manovo izay tantanin’ny Ong RTM ao Manakara izay Birao hiasan’ny Croix-Rouge Malagasy (CRM)  sy ny PAM ihany koa. Io ivon-toerana io dia toeram-pamakiam-boky sy fanovozana fahalalana. Ahitana boky, rakitsoratra sy ny gazety ny CRM ihany koa ao.
 
Ny 11 Jolay no ivon’ny fankalazana ka nisy ny Carnaval lehibe sy ny kabary nifandimbiasana ary ny fitsidihana ireo tranoeva ny tapany maraina. Ny tolakandro kosa dia nisy ny rindran-kira niarahana tamin’ny  tarika Da Tokotry sy ny Conférence débat momba ny lohahevitry ny fankalazana dia ny hoe « AMPANJARIANA NY TANORA ANTOKY NY HO AVY  ». Nihetsika daholo ireo hery velona rehetra tao Manakara nanotrona ireo fotoan-dehibe ireo ka isany nandray anjara feno ny CRM, tamin’ny Carnaval sy ny Poste de secours. Nahatratra 18 ireo mpilatsaka an-tsitrapo no nohetsehina tamin’izany ary tombanana ho 2500 any kosa ireo olona nahazo tombontsoa tamin’ny Poste de Secours io . Marihina fa ny fitsidihana naton’ireo minisitra sy ireo olo-manan-kaja maro ny Poste de secours ka nahafahana namelabelatra ny andraikitra sy ny asa sahanin’ny CRM sy ny Jeunesse Croix –Rouge.
 
Mbola nitohy ny Asabotsy 12 Jolay ny fankalazana  ity ka ny fanokafana amin’ny fomba ofisaly ny tetikasa hiadiana amin’ny aretina mpahazo ny vehivavy mamany lava na ny « Fistule obstétricale »  ka ny Praiminisitra sady Minisitry ny Fahasalamana no hanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy tao Manakara.

Vonjy Tsivalia Hajanirina
Mpandrindram-paritra CRM Vatovavy Fitovinany

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire