jeudi 30 octobre 2014

Manakara: notsaboina ireo voan'ny " fistule obsetricale"



 Nahazo fitsaboana ireo voan'ny aretina "mamany lava"
Tamin’ny 12 jolay teo dia tonga tany Manakara ny Praminisitra KOLO Roger nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa iray izay iarahan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana sy ny FNUAP ary ny PAM  manao dia ny fitsaboana ireo vehivavy “Mamany Lava”  vokatry ny faharovitan’ny tatavia na  Fistule Obstétricale  .
 Aretina tena mamparefo ny vehivavy avy  any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany tokoa izy ity satria dia fototry ny mampikorontana ny fiainam-pianakaviana raha tojo io aretina io ny renim-pianakaviana noho ny fisian´ny fofona tsy laitra manerana ny trano fonenana ka tafiditra indrindra amin´ny filan´ny faritra ity tetikasa ity.
Mpitsabo mpandidy maro no tonga tany Manakara manao  fandidiana ireo vehivavy tratran’ity aretina mamany lava. Raha vehivavy 100 no no vinavinaina hodidiana dia efa 130 no tonga eto tao amin’ny Hopitaly Manakara. Nanoloana io tranga io dia nangataka tamin’ny Croix-Rouge Malagasy ny Talem-paritry ny Fahasalamana mba hanaovana trano lay hitoeran’ireo olona izay hotsaboina satria efa tsy antonona intsony itoeran´ireo marary intsony ny hopitaly.
Nanao izany asa izany ireo mpilatsaka an-tsitrapo ny Croix-Rouge Malagasy ka trano lay miisa 02 no napetraka teny amin’ny hopitaly. Marary miisa 30 no nampiantranoana ary mpilatsaka an-tsitrapo miisa 06 no nifarimbona nanangana ny trano lay tamin’izany.

(sary FNUAP)
Fanentanana @ fahadiovana sy ny fidiovana
Nitohy hatrany ny asa fanentanana eny anivon’ny mpiara-belona na ny “Service Volontaire”  izay hataon’ireo mpilatsaka an-tsitrapo eto  amin’ny kaominina Manakara . Atao isam-bolana izy ity ka ny Fokontany Ampilao misy ny kartie Merna no notsidihana tamin’ny volana jolay.
Ity toerana nanaovana asa fanentanana ity dia eny moron-dranomasina no misy azy ary ao anelanelan’ny lakan-dranon’ny Pangalanina sy amoron-dranomasina , any avaratry Manakara no misy ity Fokontany ity  ka tena marefo amin´ny fiakaran´ny rano tokoa ity toerana ity raha vao mirotsaka andro maromaro ny orana.
Ankoatr´izany dia tsy misy manana lavam-piringa ny mponina eny an-toerana fa dia mbola manao fangerena an-kalamanjana, ny rano fisotro madio dia tsy misy fa vovo roa  tsy manara-penitra sy eny an-tanimbary  no mantsaka ny Mponina , ireo fako dia miparitaka etsy sy eroa ka izany indrindra  no nahantonga ny Croix-Rouge Malagasy nanao asa fanentanana teny an-toerana  ka tokantrano niisa 25 no notsidihany Croix –Rouge Malagasy nanaovana fanentanana tamin’izany ka niisa 123 ireo olona voaentana tamin’izany ka lehilahy ny 65 ary vehivavy kosa ny 58 . Vangivangy arahin-dinika na VAD no fomba nanaovana fanentanana tamin’izany ka mpirotsaka an-tsitrapo miisa 10 no niasa tamin’izany. Nisy ihany koa ny fanetanana manokana ireo ankizy madinika sy ny firesahana manokana tamin’ny sefo kartie satria dia tena maloto tokoa ity tanàna nanaovana fitsidihana ity ka mila hanaovana asa fanadiovana faobe farany izay haingana mba hisoroana ny mety hampirongatra ireo aretina maro samihafa.
VONJY Tsivalia Hajanirina