Nahazo fitsaboana ireo voan'ny aretina "mamany lava"
Tamin’ny 12
jolay teo dia tonga tany Manakara ny Praminisitra KOLO Roger nanokatra tamin’ny
fomba ofisialy ny tetikasa iray izay iarahan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana sy
ny FNUAP ary ny PAM manao dia ny
fitsaboana ireo vehivavy “Mamany Lava”
vokatry ny faharovitan’ny tatavia na “Fistule Obstétricale
“ .
Aretina tena mamparefo ny vehivavy avy any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany tokoa
izy ity satria dia fototry ny mampikorontana ny fiainam-pianakaviana raha tojo
io aretina io ny renim-pianakaviana noho ny fisian´ny fofona tsy laitra
manerana ny trano fonenana ka tafiditra indrindra amin´ny filan´ny faritra ity
tetikasa ity.
Mpitsabo
mpandidy maro no tonga tany Manakara manao fandidiana ireo vehivavy tratran’ity aretina
mamany lava. Raha vehivavy 100 no no vinavinaina hodidiana dia efa 130 no tonga
eto tao amin’ny Hopitaly Manakara. Nanoloana io tranga io dia nangataka tamin’ny
Croix-Rouge Malagasy ny Talem-paritry ny Fahasalamana mba hanaovana trano lay
hitoeran’ireo olona izay hotsaboina satria efa tsy antonona intsony itoeran´ireo
marary intsony ny hopitaly.
Nanao izany
asa izany ireo mpilatsaka an-tsitrapo ny Croix-Rouge Malagasy ka trano lay
miisa 02 no napetraka teny amin’ny hopitaly. Marary miisa 30 no nampiantranoana
ary mpilatsaka an-tsitrapo miisa 06 no nifarimbona nanangana ny trano lay
tamin’izany.
Fanentanana @ fahadiovana sy ny fidiovana
Nitohy
hatrany ny asa fanentanana eny anivon’ny mpiara-belona na ny “Service
Volontaire” izay hataon’ireo mpilatsaka
an-tsitrapo eto amin’ny kaominina Manakara
. Atao isam-bolana izy ity ka ny Fokontany Ampilao misy ny kartie Merna no
notsidihana tamin’ny volana jolay.
Ity toerana
nanaovana asa fanentanana ity dia eny moron-dranomasina no misy azy ary ao
anelanelan’ny lakan-dranon’ny Pangalanina sy amoron-dranomasina , any avaratry Manakara
no misy ity Fokontany ity ka tena marefo
amin´ny fiakaran´ny rano tokoa ity toerana ity raha vao mirotsaka andro
maromaro ny orana.
Ankoatr´izany
dia tsy misy manana lavam-piringa ny mponina eny an-toerana fa dia mbola manao fangerena an-kalamanjana, ny rano fisotro madio dia tsy misy fa vovo
roa tsy manara-penitra sy eny an-tanimbary
no mantsaka ny Mponina , ireo fako dia miparitaka etsy sy eroa ka
izany indrindra no nahantonga ny
Croix-Rouge Malagasy nanao asa fanentanana teny an-toerana ka tokantrano niisa 25 no notsidihany Croix
–Rouge Malagasy nanaovana fanentanana tamin’izany ka niisa 123 ireo olona voaentana
tamin’izany ka lehilahy ny 65 ary vehivavy kosa ny 58 . Vangivangy
arahin-dinika na VAD no fomba nanaovana fanentanana tamin’izany ka mpirotsaka
an-tsitrapo miisa 10 no niasa tamin’izany. Nisy ihany koa ny fanetanana
manokana ireo ankizy madinika sy ny firesahana manokana tamin’ny sefo kartie
satria dia tena maloto tokoa ity tanàna nanaovana fitsidihana ity ka mila
hanaovana asa fanadiovana faobe farany izay haingana mba hisoroana ny mety
hampirongatra ireo aretina maro samihafa.
VONJY
Tsivalia Hajanirina
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire