lundi 1 décembre 2014

Tetikasa PARE any Atsimo Atsinanana


 
Andro iraisam-pirenena momba ny lava-piringy : nandray anjara ny komity ny fahasalamana tao Sahafoza sy Anosy
Nankalazaina ny 19 novambra teo ny Andro iraisam-pirenenana momba ny lava-piringy tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ka tao amin’ny kaominina Anosy Tsararafa no nankalazana izany. Ny Talem-paritry ny Rano no nikarakara ary dia nanotrona azy ireo kosa ireo mpiara-miombon’antoka toy ny : UNICEF, FAA, CARITAS, ny avy ao amin’ny fahasalamana, fampianarana, ny Komity ny Diorano Wash, ny mpianatra sy ireo mponina tany an-toerana.Hetsika maro no nentina nankalazana izany toy ny Carnaval, fampisehoana ireo fitaovana fampiasa momba ny fahadiovana sy ny fidiovana, fanentanana samihafa, fitsidihana ireo lava-piringy ampiasain’ireo mponina aty an-toerana.
Isany nandray anjara navitrika tamin’io hetsika io ireo Komity ny Fahasalamana tao amin’ny fokontany Anosy sy Sahafoza. Isany nanafana ny lanonana izy ireo ka velom-pisaorana ny tetikasa PARE an’ny Croix –Rouge Malagasy ireo manam-pahefana tany an-toerana amin’ny fanohanana mivantana eny ifotony izay iandreketan’ny tetikasa aminy fanohanana ny Komity amin’ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana, ny fidiovana, ny fahadiovana ary ny fampiasana rano fisotro madio ety izay misy fiantraikany mivantana amin’ny ady atao amin’ny faharefoana any an-toerana.
 

 
Afa-po ireo mpiara-miombon’antoka avy amin’ny Croix-Rouge Alimanina
Nitsidika ny tetikasa PARE taty Farafangana ny tomponandraikitra avy ao amin’ny  Croix-Rouge Alimanina izay misahana ny faritra aty Atsimo ny Afrika  sady misolotena ny mpamatsy vola rahateo ihany koa dia Hans Janssen izany. Ankoatr’ireo fitsidihana tany amin’ny  toeram-piasana sy ny dinika nifanaovana tamin’ireo mpiara-miasa sy ireo mpitantana ny Croix-Rouge Malagasy any an-toerana dia nisy ihany koa ny fitsidihana ireo faritra izay iasan’ny tetikasa PARE. Tao amin’ny Fokontany Anosy izay nahitana ny tanànan’ny Antondabe no notsidihina tamin’izany. Ireo saha sekoly vary ara-teknika sy voly azo atao sakafo toy ny bodoa na « igname » no notsidihana tamin’izany. Nanditra izany dia nisy ireo dinika sy tafatafa nifanovan’ireto mpitsidika ireto tamin’ireo mpikambana amin’ny saha sekoly ireo. Hita tokoa fa vonona ny hiady amin’ny faharefoana ateraky ny tsy fahampian’ny sakafo ireto mpikambana amin’ny saha sekoly ireto. Nidera ny risim-po sy ny fahavononana  nasehon’ireto mpikambana amin’ny saha sekoly ireto ireo mpitsidika. Samy manantena ny roa tonta fa dia hitombo ny vokatra ho azo amin’ity taom-pamokarana ity ka dia hantenaina araka izany fa hiatsara ny fahafahan’ny mponina any an-toerana hiatrika ny faharefoana ateraky ny tsy fahampian-tsakafo itony. Nanotrona ny mpitsidika hatrany ny solontenan’ny Croix -Rouge Alimanina miasa sy monina any Farafangana dia i Sylvia Bayer.
VONJY Tsivalia Hajanirina
Chef de Projet PARE Sud Est
 
 
 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire