150 taonan'ny fitsipika fototry ny Croix-Rouge:
fanamarihana miavaka tany Foulpointe
« Fiahiana
ny mahaolona, tsy manavaka, tsy miandany, mahatsangy, firotsahana an-tsitrapo,
tokana, firaisambolo”, ireo no Fitsipika fototra fito mifehy ny asa aman’andraikitry
ny Croix-Rouge manerantany. Feno 150 taona amin’ity 2015 ity ny nankatoavana
azy ireo ka samy mankalaza izany amin’ny fomba samihafa ny Croix-Rouge any
amin’ny firenena tsirairay avy. Tsy diso anjara amin’izany ny Croix-Rouge
Malagasy (CRM) izay nanomana fankalazana manetriketrika tany Foulpointe. Ity
fankalazana ity dia niarahan’ny CRM avy amin’ireo faritra 03 mandrafitra ny
faritanin’ny Toamasina nanomana dia Atsinanana, Alaotra Mangoro ary
Analanjirofo. Delegasiona avy amin’ny CRM birao foibe izay notahirin’ny
filoha nasionaly, Claude Rakotondranja, kosa no tonga nanome voninahitra izany
tany an-toerana. Maro ny hetsika nokarakaraina ampahafantarana bebe kokoa ny hevitr’ireo
Fitsipika fototra fito ireo sy hanamafisana ny firahalahian'ny
mpikambana sy mpilatsaka an-tsitrapo eo anivon’ny CRM.
Tao ohatra ny afon-dasy nisiana
famelabelaran-kevitra, diabe namakivaky ny tanàna, beach soccer, fanadiovana ny
torapasika, fanentanana mikasika ny fahadiovana sy ny ady amin’ny aretina Pesta,
fanehoana fihetsika vonjy voina, ary nofaranana amin’ny alim-pandihizana. Naharitra
3 andro ny fankalazana dia ny 4 - 5 - 6 septambra 2015 ary mpikambana sy
mpilatsaka an-tsitrapo 250 avy amin’ny faritra telo: Atsinanana, Analanjirofo
sy Alaotra Mangoro no tonga tany Foulpointe.
Nanambara
Atoa Jerole Ferdinand, filoha ny CRM faritra Atsinanana, fa fifaliana hoan’ny
CRM Atsinanana tokoa ny fampiantranoana ity fankalazana goavana ity satria dia
zava-dehibe hoan’ny Croix-Rouge manerantany ny fisian’ireo Fitsipika fototra
fito ireo izay mifehy ny asa aman’andraikitra amin’ny fampihenana ny
fanantainan’ny mpiara-belona sy ny famerenana ny Hasina sy ny Zo mahaolona. Ireo
manam-pahefana nandray fitenenana tamin’ny fanokafana kosa dia samy naneho ny
fahavononany hatrany hiara hiasa amin’ny CRM ary nankahery ny fikambanana
amin’ny asa soa hataony.
Ando
ANDRIAMALAZARAY
Mpiandraikitra ny CRM Faritra Atsinanana