mardi 8 septembre 2015

150 taonan'ny fitsipika fototry ny Croix-Rouge: fanamarihana miavaka tany Foulpointe



« Fiahiana ny mahaolona, tsy manavaka, tsy miandany, mahatsangy, firotsahana an-tsitrapo, tokana, firaisambolo”, ireo no Fitsipika fototra fito mifehy ny asa aman’andraikitry ny Croix-Rouge manerantany. Feno 150 taona amin’ity 2015 ity ny nankatoavana azy ireo ka samy mankalaza izany amin’ny fomba samihafa ny Croix-Rouge any amin’ny firenena tsirairay avy. Tsy diso anjara amin’izany ny Croix-Rouge Malagasy (CRM) izay nanomana fankalazana manetriketrika tany Foulpointe. Ity fankalazana ity dia niarahan’ny CRM avy amin’ireo faritra 03 mandrafitra ny faritanin’ny Toamasina nanomana dia Atsinanana, Alaotra Mangoro ary Analanjirofo. Delegasiona avy amin’ny CRM birao foibe izay notahirin’ny filoha nasionaly, Claude Rakotondranja, kosa no tonga nanome voninahitra izany tany an-toerana. Maro ny hetsika nokarakaraina ampahafantarana bebe kokoa ny hevitr’ireo Fitsipika fototra fito ireo sy hanamafisana ny firahalahian'ny mpikambana sy mpilatsaka an-tsitrapo eo anivon’ny CRM. 


Tao ohatra ny afon-dasy nisiana famelabelaran-kevitra, diabe namakivaky ny tanàna, beach soccer, fanadiovana ny torapasika, fanentanana mikasika ny fahadiovana sy ny ady amin’ny aretina Pesta, fanehoana fihetsika vonjy voina, ary nofaranana amin’ny alim-pandihizana. Naharitra 3 andro ny fankalazana dia ny 4 - 5 - 6 septambra 2015 ary mpikambana sy mpilatsaka an-tsitrapo 250 avy amin’ny faritra telo: Atsinanana, Analanjirofo sy Alaotra Mangoro no tonga tany Foulpointe.

Nanambara Atoa Jerole Ferdinand, filoha ny CRM faritra Atsinanana, fa fifaliana hoan’ny CRM Atsinanana tokoa ny fampiantranoana ity fankalazana goavana ity satria dia zava-dehibe hoan’ny Croix-Rouge manerantany ny fisian’ireo Fitsipika fototra fito ireo izay mifehy ny asa aman’andraikitra amin’ny fampihenana ny fanantainan’ny mpiara-belona sy ny famerenana ny Hasina sy ny Zo mahaolona. Ireo manam-pahefana nandray fitenenana tamin’ny fanokafana kosa dia samy naneho ny fahavononany hatrany hiara hiasa amin’ny CRM ary nankahery ny fikambanana amin’ny asa soa hataony.

Ando ANDRIAMALAZARAY
Mpiandraikitra ny CRM Faritra Atsinanana


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire