vendredi 15 juillet 2011

Ny filatsahana an-tsitrapo (le volontariat)


Famaritana araka ny MICR (Mouvement International de la Croix-Rouge) : ny filatsahana an-tsitrapo dia hetsika mikatsaka ny fanampiana olona na vondron’olona marefo ary manaraka ireo foto-kevitra ijoroana. Safidy malalaka no hidirana ho mpilatsaka an-tsitrapo fa tsy noho ny antony ara-bola, na kajikajy ara-pôlitika, na fitadiavam-boninahitra eo amin’ny fiaraha-monina. Noho izany, tsy sandaim-bola akory ny asa ataon’izy ireo. Amin’ny ankapobeany anefa, ho valin’ny asa natao ho an’ny Croix-Rouge, dia misy solon’andro atolotra azy ireo. Mifanaraka amin’ny fotoana sy ny herim-batana lany ary miankina amin’ny fahefan’ny Croix-Rouge misy ao anatin’ny faritra iray izany solon’andro izany.
Ny mpilatsaka ara-tsitrapo (na volontaire) no kitro ifaharana sy andry mizàka ny Croix-Rouge. Amin’ny alalan’ireo tetikasa mampiasa azy ireo ato amin’ny Croix-Rouge, dia maro amin’izy ireo no mampitombo fahalalàna sy fahaiza-manao hampiasainy any amin’ny asa ivelomany. Fotoana hifaneraserana amina namana vaovao ihany koa ny fanaovana asa atao ao anatin’ireo tetikasa sahanin’ny Croix-Rouge. Matetika dia lasa naman’ireo olona mpahazo tombontsoa amin’ireo tetikasa ireo ny mpilatsaka an-tsitrapo. Ary lasa volontaire-n’ny Croix-Rouge ihany koa ireo mpahazo tombontsoa ireo.
Raha izany famaritana voalaza etsy ambony izany no zohina dia azo sokajiana ho “volontaires” ihany koa ireo mpiasa raikitra ao amin’ny Croix-Rouge, raha tsy ilaza afa-tsy ny coordonnateur régional sy ny chef de projet. Safidin’izy ireo manokana ihany koa mantsy ny hiasa mandava-taona ho an’ny Croix-Rouge Malagasy, ny hanokana ny fotoanany ho an’ny fampandehanana ny asa any amin’ny faritra iasany.
Ny fifaneraseran’ireo sokajina mpilatsaka an-tsitrapo roa ireo, izany hoe ny volontaires raisina amin’ny heviny voalohany sy ny mpiasa raikitra teknisiana, dia miteraka fampitomboam-pahalalàna ho an’ny roa tonta. Ny volontaires dia mahazo fahaizan’asa azo ampiarina amin’ny asa fivelomany sy ny fiainany andavanandro. Ny teknisiana kosa etsy andaniny dia mahazo amin’ny antsipirihany ny fomba fandehan-javatra marina eny amin’ny “terrain” sy ny fomba fifaneraserana amin’ny olona marefo. Ny volontaires mantsy no mifandray mivantana amin’ireo sokajin’olona marefo ary mahafantatra tsara ny zavatra atao sy ho tenenina rehefa miserasera amin’izy ireo.
Ny antony mety hanaovana filatsahana an-tsitrapo
Ny finiavana hanasoa ny mpiara-belona dia anisan’ny antony hanaovana filatsahana an-tsitrapo. Ao ihany koa ny faniriana hanantateraka asa ho an’ny Croix-Rouge tsotra izao. Matetika anefa dia misy ireto zavatra telo ireto vao milatsaka an-tsitrapo ny olona iray :
1- Ny filàn-javatra iray na “besoin” izay mibaribary eo anivon’ny fiaraha-monina iainan’ny volontaire. Ohatra : tsy fahampiana ary filàna rano fisotro madio aorian’ny fandalovana rivo-doza. Misy andraikitra heverin’ny volontaire nahazo fiofànana momba ny fanadiovan-drano ho raisina hanatsarana izany toe-javatra izany.
2- Ny andraikitra azon’ny volontaire tsirairay sahanina araka ny fahalalana sy fahaiza-manao ananany hanantanterahina ny asa fanampiana hataony. Adidin’ireo tompon’andraikitra mpanatanteraka ao amin’ny Croix-Rouge no mamaritra sy mandrindra ny anjara asan’ny volontaire tsirairay ao anaty tetikasa.
3- Ny faharisiana na fahazotoana ananan’ny olona iray hanome valiny an’ilay filàn-javatra na besoin. Miaraka amin’ny sampan’ny Croix-Rouge misy ao amin’ny faritra misy azy, ny volontaire dia manatanteraka izany tanjona fanomezana valiny ny tsy fisiana izany.

Hita ao anatin’ireto fijoroana vavolombelona ireto izany antony izany :

- Volontaire iray amin’ireo an-tapitrisany maro manerana ny tany : “Miteraka hafaliam-po anaty tsy manam-paharoa ny filatsahana an-tsitrapo ho ahy. Ny Croix-Rouge ihany no hany afaka manome ahy izany hafaliam-po izany”.
- Mpanentana vitsivitsy momba ny fampiasàna ny lay misy odimoka, projet Keep-up any Midongy Atsimo :
·         Rosette, fokontany Beronono : ”Ny antony nanaovako asan’ny mpilatsaka an-tsitrapo dia zavatra efa nirian’ny fanahiko”
·         Marovavy Emilienne, fokontany Mandaniresaka : “Ny fahalalako momba ny fanentanana amin’ny fampiasàna lay misy odimoka dia azoko t@ Croix-Rouge. Ny hafatra apetrako amin’ireo namana hafa mpilatsaka an-tsitrapo dia ny mba hanao ny asa an-tsitrapo marina, tsy tandrametaka. Amin’ny fo marina no hanaovana azy”

Araka izany dia rariny loatra raha natokana ho TAONAN’NY FILATSAHANA AN-TSITRAPO ity taona 2011 ity.

IANAO IHANY KOA, ATOKANO HO AN’NY MAREFO NY AMPAHAM-POTOANA MAMPALALAKA ANAO.
MIROTSAHA HO MPILATSAKA AN-TSITRAPON’NY CROIX-ROUGE MALAGASY

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire