lundi 3 septembre 2012

Faritra Ihorombe


Fampiofanana momba ny vonjy voina fototra distrika Ihosy
Tontosa soa aman-tsara tany Ihosy ny fampiofanana ireo mpirotsaka an-tsitrapo miisa 20 izay notsongaina teny  anivon’ny fokontany  12 tao amin’ny kaominina Ambonivohitra Ihosy. Mpampiofana nasionaly 3 mianadahy eo anivon’ny CRM no nizara ny fahaizana amam-pahalalana tamin’izy ireo nandritra ny 3 andro, nanomboka ny 19 ka hatramin’ny  21 jona 2012. Mpiofana mahay : miaro sy mampandre ary mamonjy na mampihatra ny vonjy voina no tanjon’ity fampiofanana ity. Zana-taranja 12 narahina fampiharana avy hatrany no natao nandritra ny hateloana.  Taorian’ny tombana tamin’ny andro farany dia afaka dahalo izy 20 mianadahy ary voaray hanaraka ny fampiofanana tohiny amin’ny fotoana manaraka izay haharitra 5 andro.

Rakotra biraon’ny « Jeunesse croix-rouge malagasy » ny distrika faritra Ihorombe
Tafatsangana any amin’ny faritra Ihorombe ny biraon’ny sampana Tanora CRM taorian’ny fivorian’ny solontena isam-paritra tany Antananarivo tamin’ny desambra 2011.  Nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny 8 mey 2012, ny fananganana ny biraom-paritra Ihorombe teto Ihosy renivohitra. Nitohy izany tany amin’ny distrika  Iakora ny 30 mey  raha ny 18 jona kosa ny tany amin’ny distrika Ivohibe. Ireo tanora manana ny sokajin-taona 18 ka hatramin’ny 35 no mivondrona ao aamin’ny sampana Tanora CRM.
Tsy hijanona eo ity fananganana ny biraon’ny sampana Tanora CRM any amin’ny faritra Ihorombe fa ho tohizana hatrany amin’ny kaominina
Marcellin

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire