Faritra Vatovavy
Fitovinany
Komity GRC
Ny 08 sy 09
aogositra teo dia nisy ny atrikasa izay nanofanana ny mpikambana ao amin’ny
Komity GRC (fiatrehana ny loza voajanahary) sy ireo tambanjotra
mpiaro ny zo ny ankizy (réseau de protection des enfants) momba ny
fiarovana ireo ankizy mandritra ny fotoana sarotra (protection des enfants
pendant l’urgence). Ny ministera ny mponina sy ny raharaha sosialy sy ireo
mpiaramiombon’antoka toy ny Bngrc, Unicef sy Cered no nikarakara azy ity
ary ireo mpiantsehatra momba ny fitantanana ny loza voa-janahary sy ny
fiarovana ny zo ny ankizy miisa 5 isaky ny distrika kosa no nahazo tombotsoa.
Nandray anjara mavitrika tamin’io fivoriana ny mpikambana Croix-Rouge
Malagasy (CRM) ato amin’ny faritra. Nahatratra 5 ireo solontena avy @ CRM
( NDRT, filohan’ny CRM distrika Ifanadiana, filohan’ny CRM kaomina Mananjary,
encadreur Premier Secours Manakara, ary ny mpadrindram-paritra ). Azo lazaina
fa nahazo tombony tokoa ny CRM aty an-toerana tamin’ity atrikasa ity satria dia
nibahana betsaka tao amin’ny fiofanana io ny fifanakalozana traikefa momba ny
fitantanana ny loza voa-janahary.
THB champion’s
league
Natao teto
Manakara nanomboka ny zoma 10 aogositra teo ka hatramin’ny alahady 19 aogositra
izao ny fifaninanana baolina kitra izay tafiditra amin’ny fiadiana ny ho
tompondakan’ny “Madagasikara THB Champion’ s League taona 2012”. Ekipa 6
avy amin’ny faritra 7 no mifanitsana teto Manakara dia ny Tiavo Team
Manakara , AS Comato Toliara , FC 2A Amboasary , TMT Vangaindrano sy FCA
Ilakaka , ka ny 3 voalohany no hotafakatra any amin’ny dingana Manaraka.
Amin’ny maha mpiara-miombon’antoka ny ligue ny baolina kitra sy ny CRM eto
amin’ny distrika ny Manakara dia ireo mpilatsaka an-tsitra-po avy ato amin’ny
CRM no misahana ny vonjy voina mandritra ny lalao manontolo.
Mietsika ny Air Mad sy Adema @ fanokafana ny
seranam-piaramanidina
Efa ho 5 taona izao no nikatona ny seranam-piaramanidina eto Manakara noho
ny fatiantoka nahazo ny Orinasa Air Madagascar noho ny
havitsian’ireo olona mandray fiara-manidina. Niteraka fihemorana tokoa taty
amin’ny Faritra izany toe-javatra izany satria dia nisy fihemorany tokoa
ny lafin’ny fizahantany sy fandraraharana noho io antony io. Ny 13 aogositra
teo ary dia tonga nanao atrikasa taty an-toerana ny orinasa Air Madagascar sy
ny Adema nijerena indray ny fomba hampandehanana indray ity
seranam-piaramanidina eto Manakara ity. Izay rehetra nandray anjara tamin’ny
dinika dia samy naniry ny hisokafan’ity seranam-piaramanidina ity satria dia
isan’ny fanohitra entina hampandrosoana ny Faritra izy ity. Nandray anjara
tamin’ny fivoriana ny mpandrindram-paritry ny CRM amin’ny maha mpihatsehatra
azy ato amin’ny faritra.
Synoda lehibe FJKM
Notanteraina teto Manakara ny 15 ka hatramin’ny 19 aogositra teo ny
Synoda lehibe ny Fiangonana FJKM . Ny 15 maraina teo no fotoam-panokafana izay
nanasana ireo mpitondra fanjakana sy ireo herivelona rehetra teto Manakara.
Nandritra izany fotoam-panokafan izany ihany koa no nisian’ny fampirantiana teo
amin’ny tokontany malalaka ny gara ny lamasinina teto Manakara . Ireo sehatrasa
misy ao amin’ny fiangonana FJKM sy ireo fikambanana maro samihafa sy ny ONG aty
amin’ny faritra no niara-nanao fampirantiana tamin’izany. Mandritra ity Synoda
lehibe ity koa moa no hifidianana izay Birao hitantana indray ny Fiangonana
FJKM.
Faritra Bongolava
Fetim-pirenena
Nandray andraikitra nanao poste de secours ny CRM faritra Bongolava nandriatra ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona lasa teo tao amin’ny kianja monisipalin’ny Tsiroanomandidy. Ampahany amin'ireo mpamonjy voina nahazo fiofanana « secourisme en équipe » no nifanome tanana tamin’izany. Fotoana tokoa ireny hampiharan’ireo mpamonjy voina ny fiofanana nomena azy ireo.
Nandray andraikitra nanao poste de secours ny CRM faritra Bongolava nandriatra ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona lasa teo tao amin’ny kianja monisipalin’ny Tsiroanomandidy. Ampahany amin'ireo mpamonjy voina nahazo fiofanana « secourisme en équipe » no nifanome tanana tamin’izany. Fotoana tokoa ireny hampiharan’ireo mpamonjy voina ny fiofanana nomena azy ireo.
Nahazo
fitaovana vaovao
Nahazo « Chapiteau » iray mahazaka olona 12 sy « lit picot » iray avy amin'ny
ministeran'ny mponina sy ny raharaha sosialy ny CRM faritra Bongolava. Izany dia nohon'ny fiaraha-miasan’ny mpamonjy voina tamin'ny sampan-draharaham-paritra ny ministeran’ny mponina tamin'ny fankalazana ny andro manerantany hoan'ny zokiolona tamin’ny volana jona lasa teo.
Alim-pandihizana ho fitadiavam-bola
Nahazo « Chapiteau » iray mahazaka olona 12 sy « lit picot » iray avy amin'ny
ministeran'ny mponina sy ny raharaha sosialy ny CRM faritra Bongolava. Izany dia nohon'ny fiaraha-miasan’ny mpamonjy voina tamin'ny sampan-draharaham-paritra ny ministeran’ny mponina tamin'ny fankalazana ny andro manerantany hoan'ny zokiolona tamin’ny volana jona lasa teo.
Alim-pandihizana ho fitadiavam-bola
Hanantanteraka
"Cabaret dancing" lehibe ny CRM faritra Bongolava ny 17
aogositra ho avy izao manomboka amin’ny 8 ora alina. Ilay mpanao hatsikana
fanta-daza Francis Turbo no hanentana ary ny tarika Star Music no hanafana ny
lanonana. Izao no ho tontosa dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny CRM
interregional ex-province Antananarivo sy ny tomponandraikim-panjakana ao
Région. Ny vola azo amin’izao hetsika izao dia entina hanatevenana ny
kitapom-bolan’ny CRM any an-toerana, hanaovana ireo asa soa maro samihafa.
Faritra Analamanga
Fijoroana vavolombelona: mpahazo tombontsoa tamin'ny asa soa nataon'ny CRM
Razafiarisoa
Clarisse no anarako, 36 taona aho izao ary manan-janaka 6. Maty fony aho
nitondra vohoka ity zanako farany ity ny vadiko. Simbany rivodoza Giovanna ny
trano fonenanay tamin’ny 14 febroary 2012 lasa teo, ka voatery nifindra tany
amin’ny trano lain’ny Croix-Rouge Malagasy izahay, bevohoka fito volana aho
tamin’izay.
Ny 20
febroary 2012 lasa teo tokony ho t@ sasak’alina dia nihetsika ny zaza tao
an-kiboko, ary niseho avokoa ireo fambara fa tokony ho teraka aho. Efa
nolazain’ny tompon’andraikitry ny Croix-Rouge Malagasy taminay traboina fa raha
misy olana ara-pahasalamana dia izy ireo no hantonina avy hatrany. Lasa niantso
an’i Haja izay mpilatsaka an-tsitrapo sy mpamonjy voina ao amin’ny fokontaninay
ny traboina namako. Vao lasa izy ireo dia teraka aho. Nony tonga i Haja, dia
nampirisika ahy daholo ny olona hampiantso renin-jaza haingana dia haingana.Tsy
nanaiky an’izany anefa i Haja fa avy hatrany izy dia niantso ambulance
hanatitra ahy teny @ hopitaly.
Nony tonga teny amin’ny hopitaly izahay dia nanambara ny rasazy fa mbola maro ny ahitra tavela tao anatiko, ary raha tsy tany izahay dia mety ho nitarika ahy tamin’ny fahafetsana izany. Faly aho fa velona soa aman-tsara izahay mianaka. Lahy kely ny zanako ary mitombo tsara izy izao.
Misaotra an’i Haja sy misaotra ny CRM !
Nony tonga teny amin’ny hopitaly izahay dia nanambara ny rasazy fa mbola maro ny ahitra tavela tao anatiko, ary raha tsy tany izahay dia mety ho nitarika ahy tamin’ny fahafetsana izany. Faly aho fa velona soa aman-tsara izahay mianaka. Lahy kely ny zanako ary mitombo tsara izy izao.
Misaotra an’i Haja sy misaotra ny CRM !
Fiatrehana ny rivodoza Giovanna
Anisan’ny
faritra niaram-boina t@ fandalovan’ny rivodoza Giovanna ny faritra Analamanga.
Maro ny rava trano, trano tondraka, sns. Tsy nitazam-pitsony ny
tomponandraikitra, indrindra fa ireo mpilatsaka an-tsitrapo fa avy dia nandray
andraikitra. Vao ho avy ary ny rivodoza dia efa nanao fanentanana ireo
mpilatsaka an-tsitrapo. Lasa i Giovanna dia efa nikarakara ireo traboina ny CRM
Analamanga. Traboina avy @ toerana maro no nosahaniny t@ izany: 67ha, njezika
I, Antetezanafovoany I, Andohatapenaka I sy II, Ankorondrano Andranomahery,
Morarano, Antanjombe avaratra, Ambohimitsinjo, Tanjombato, Ambohimanala,
Ambatofotsy avaradrano, Andramasina, Carion, Ambohidratrimo sy
Ambohitriamanjaka. Raha ny fizarana fanampiana indray dia fianakaviana traboina
miisa 781 avy @ ireo toerana voatanisa tetsy ambony ireo no nomena labasy,
kojakojan-dakozia (lovia, sotro, vilany...) sy fitaovam-pidiovana (seau, zinga,
savony, sur’eau..). Narahin’ny CRM Analamanga maso isanandro ihany koa ireo
traboina nandritra ny fotoana nitoerany tany anaty trano lay, toy ny lafiny
fahadiovana, fahasalamana, fiarovana @ herisetra samihafa. Mpilatsaka
an-tsitrapo miisa 109 no nifanome tanana tamin’izany hetsika izany. Teto
amin’ny faritra Analamanga ihany dia niara-niasa tamin’ny UNFPA ihany koa isika
CRM izay nahafahana nizara kojakoja sy fanafody hoan’ny vehivavy mitondra
vohoka 60 tamin’ireo traboina sy fimailo hoan’ny lehilahy.