jeudi 13 septembre 2012

Akon'ny faritra


Faritra Vatovavy Fitovinany
Komity GRC
Ny 08 sy 09 aogositra teo dia nisy ny atrikasa izay nanofanana ny mpikambana ao amin’ny Komity GRC  (fiatrehana ny loza voajanahary) sy ireo tambanjotra  mpiaro ny zo ny ankizy (réseau de protection des enfants) momba ny fiarovana ireo ankizy mandritra ny fotoana sarotra (protection des enfants pendant l’urgence). Ny ministera ny mponina sy ny raharaha sosialy sy ireo mpiaramiombon’antoka  toy ny Bngrc, Unicef sy Cered no nikarakara azy ity ary ireo mpiantsehatra momba ny fitantanana ny loza voa-janahary sy ny fiarovana ny zo ny ankizy miisa 5 isaky ny distrika kosa no nahazo tombotsoa. Nandray anjara mavitrika tamin’io fivoriana  ny mpikambana Croix-Rouge Malagasy (CRM)  ato amin’ny faritra. Nahatratra 5 ireo solontena avy @ CRM ( NDRT, filohan’ny CRM distrika Ifanadiana, filohan’ny CRM kaomina Mananjary, encadreur Premier Secours Manakara, ary ny mpadrindram-paritra ). Azo lazaina fa nahazo tombony tokoa ny CRM aty an-toerana tamin’ity atrikasa ity satria dia nibahana betsaka tao amin’ny fiofanana io ny fifanakalozana traikefa momba ny fitantanana ny loza voa-janahary.
THB champion’s league
Natao teto Manakara nanomboka ny zoma 10 aogositra teo ka hatramin’ny alahady 19 aogositra izao ny fifaninanana baolina kitra izay tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “Madagasikara  THB Champion’ s League taona 2012”. Ekipa 6 avy amin’ny faritra 7 no mifanitsana teto Manakara dia ny  Tiavo Team Manakara , AS Comato Toliara , FC 2A Amboasary , TMT Vangaindrano  sy FCA Ilakaka ,  ka ny 3 voalohany no hotafakatra any amin’ny dingana Manaraka. Amin’ny maha mpiara-miombon’antoka ny ligue ny baolina kitra sy ny CRM eto amin’ny distrika ny Manakara dia ireo mpilatsaka an-tsitra-po avy ato amin’ny CRM no misahana ny vonjy voina mandritra ny lalao manontolo.
Mietsika ny Air Mad sy Adema @ fanokafana ny seranam-piaramanidina
Efa ho 5 taona izao no nikatona ny seranam-piaramanidina eto Manakara noho ny fatiantoka nahazo ny Orinasa  Air Madagascar noho ny havitsian’ireo olona mandray fiara-manidina. Niteraka fihemorana tokoa taty amin’ny Faritra izany toe-javatra izany satria dia  nisy fihemorany tokoa ny lafin’ny fizahantany sy fandraraharana noho io antony io. Ny 13 aogositra teo ary dia tonga nanao atrikasa taty an-toerana ny orinasa Air Madagascar sy ny Adema nijerena indray ny fomba hampandehanana indray ity seranam-piaramanidina eto Manakara ity. Izay rehetra nandray anjara tamin’ny dinika dia samy naniry ny hisokafan’ity seranam-piaramanidina ity satria dia isan’ny fanohitra entina hampandrosoana ny Faritra izy ity. Nandray anjara tamin’ny fivoriana ny mpandrindram-paritry ny CRM amin’ny maha mpihatsehatra azy ato amin’ny faritra.
Synoda lehibe FJKM
Notanteraina teto Manakara ny 15 ka hatramin’ny 19 aogositra teo  ny Synoda lehibe ny Fiangonana FJKM . Ny 15 maraina teo no fotoam-panokafana izay nanasana ireo mpitondra fanjakana sy ireo herivelona rehetra teto Manakara. Nandritra izany fotoam-panokafan izany ihany koa no nisian’ny fampirantiana teo amin’ny tokontany malalaka ny gara ny lamasinina teto Manakara . Ireo sehatrasa misy ao amin’ny fiangonana FJKM sy ireo fikambanana maro samihafa sy ny ONG aty amin’ny faritra no niara-nanao fampirantiana tamin’izany. Mandritra ity Synoda lehibe ity koa moa no hifidianana izay Birao hitantana indray ny Fiangonana FJKM.

Faritra Bongolava
Fetim-pirenena
Nandray andraikitra nanao poste de secours  ny CRM faritra Bongolava nandriatra ny fankalazana ny fetim-pirenena  ny 26 jona lasa teo tao amin’ny kianja monisipalin’ny Tsiroanomandidy. Ampahany amin'ireo mpamonjy voina nahazo fiofanana  « secourisme en équipe » no nifanome tanana tamin’izany. Fotoana tokoa ireny hampiharan’ireo mpamonjy voina ny fiofanana nomena azy ireo.
Nahazo fitaovana vaovao
Nahazo « Chapiteau » iray mahazaka olona 12 sy « lit picot » iray avy amin'ny
ministeran'ny mponina sy ny raharaha sosialy ny CRM faritra Bongolava. Izany dia nohon'ny fiaraha-miasan’ny mpamonjy voina tamin'ny sampan-draharaham-paritra ny ministeran’ny mponina tamin'ny fankalazana ny andro manerantany hoan'ny zokiolona tamin’ny volana jona lasa teo.

Alim-pandihizana ho fitadiavam-bola
Hanantanteraka "Cabaret dancing" lehibe ny CRM faritra  Bongolava ny 17 aogositra ho avy izao manomboka amin’ny 8 ora alina. Ilay mpanao hatsikana fanta-daza Francis Turbo no hanentana ary ny tarika Star Music no hanafana ny lanonana. Izao no ho tontosa dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny CRM interregional ex-province Antananarivo sy ny tomponandraikim-panjakana ao Région. Ny vola azo amin’izao hetsika izao dia entina hanatevenana ny kitapom-bolan’ny CRM any an-toerana, hanaovana ireo asa soa maro samihafa.

Faritra Analamanga

Fijoroana vavolombelona: mpahazo tombontsoa tamin'ny asa soa nataon'ny CRM

Razafiarisoa Clarisse no anarako, 36 taona aho izao ary manan-janaka 6. Maty fony aho nitondra vohoka ity zanako farany ity ny vadiko. Simbany rivodoza Giovanna ny trano fonenanay tamin’ny 14 febroary 2012 lasa teo, ka voatery nifindra tany amin’ny trano lain’ny Croix-Rouge Malagasy izahay, bevohoka fito volana aho tamin’izay.
Ny 20 febroary 2012 lasa teo  tokony ho t@ sasak’alina dia nihetsika ny zaza tao an-kiboko, ary niseho avokoa ireo fambara fa tokony ho teraka aho. Efa nolazain’ny tompon’andraikitry ny Croix-Rouge Malagasy taminay traboina fa raha misy olana ara-pahasalamana dia izy ireo no hantonina avy hatrany. Lasa niantso an’i Haja izay mpilatsaka an-tsitrapo sy mpamonjy voina ao amin’ny fokontaninay ny traboina namako. Vao lasa izy ireo dia teraka aho. Nony tonga i Haja, dia nampirisika ahy daholo ny olona hampiantso renin-jaza haingana dia haingana.Tsy nanaiky an’izany anefa i Haja fa avy hatrany izy dia niantso ambulance hanatitra ahy teny @ hopitaly.
Nony tonga teny amin’ny hopitaly izahay dia nanambara ny rasazy fa mbola maro ny ahitra tavela tao anatiko, ary raha tsy tany izahay dia mety ho nitarika ahy tamin’ny fahafetsana izany. Faly aho fa velona soa aman-tsara izahay mianaka. Lahy kely ny zanako ary mitombo tsara izy izao.
Misaotra an’i Haja sy misaotra ny CRM !

Fiatrehana ny rivodoza Giovanna

Anisan’ny faritra niaram-boina t@ fandalovan’ny rivodoza Giovanna ny faritra Analamanga. Maro ny rava trano, trano tondraka, sns. Tsy nitazam-pitsony ny tomponandraikitra, indrindra fa ireo mpilatsaka an-tsitrapo fa avy dia nandray andraikitra. Vao ho avy ary ny rivodoza dia efa nanao fanentanana ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Lasa i Giovanna dia efa nikarakara ireo traboina ny CRM Analamanga. Traboina avy @ toerana maro no nosahaniny t@ izany: 67ha, njezika I, Antetezanafovoany I, Andohatapenaka I sy II, Ankorondrano Andranomahery, Morarano, Antanjombe avaratra, Ambohimitsinjo, Tanjombato, Ambohimanala, Ambatofotsy avaradrano, Andramasina, Carion, Ambohidratrimo sy Ambohitriamanjaka. Raha ny fizarana fanampiana indray dia fianakaviana traboina miisa 781 avy @ ireo toerana voatanisa tetsy ambony ireo no nomena labasy, kojakojan-dakozia (lovia, sotro, vilany...) sy fitaovam-pidiovana (seau, zinga, savony, sur’eau..). Narahin’ny CRM Analamanga maso isanandro ihany koa ireo traboina nandritra ny fotoana nitoerany tany anaty trano lay, toy ny lafiny fahadiovana, fahasalamana, fiarovana @ herisetra samihafa. Mpilatsaka an-tsitrapo miisa 109 no nifanome tanana tamin’izany hetsika izany. Teto amin’ny faritra Analamanga ihany dia niara-niasa tamin’ny UNFPA ihany koa isika CRM izay nahafahana nizara kojakoja sy fanafody hoan’ny vehivavy mitondra vohoka 60 tamin’ireo traboina sy fimailo hoan’ny lehilahy.


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire