mardi 29 janvier 2013

FIATREHANA RIVODOZA : TSARA HO FANTATRA


1 - FILAZANA LOZA FANAIRANA

Mety ho tonga na tsia eto amin'ny toerana misy ahy ny rivodoza afaka 2 na 3 andro:

- Misy tompon'andraikitra tokony:
* Hanangana ny sainan'ny rivodoza na cyclone
* Hitsoka ela be ny anjombona, ny kirioka mba ho fampahafantarana ho an'ny mponina sy ho famporisihina amin'ny fiomanana.

Ny anjarantsika mponina:

 - Tokony ho vonona amin'ny fiomanana rehefa re ny famantarana
- Manamafy ny trano ary manomana ny trano hisitrihana azo antoka (fitoerana mahatanty rivotra, tsy takatry ny ranobe...)
- Manapaka ny kakazo amin'ny tanàna izay mety hampidi-doza
- Mampiakatra ny lakana eny ambonin'ny tany ary manajanona ny asa aman-draharaha rehetra an-dranomasina
- Mihaino tsy tapaka ny vaovaon'ny toetr'andro amin'ny radio sy ny televiziona
- Angonina ny fitaovam-pianarana mba tsy hisy ho very na simba (boky, kahie, solaitra...ary mandamina izany ho amin'ny toerana izay azo antoka)

2 - FILAZANA LOZA MANAMBANA

Efa fantatra fa handalo eto amin'ny toerana misy ahy ny voina, rehefa afaka 1 na 2 andro.

Ny anjarantsika mponina:

- Manangona rano fisotro madio sy fitaovana izay mety ilaina mandritry ny 2 na 3 andro (vary, voamaina, afokasika, pile,savony...)
- Manangona ireo taratasim-panjakana, ireo fitaovam-pianarana izay sisa ao an-trano, ireo fitafy, fanafody sy ireo antontan-taratasy hafa, izay atahorana ho lena, ao anatin'ny ambaralegna (gaine) na sachet plastika.
- Manantona ny toerana fialofana ireo marefo, ary manantona ny trano mahazaka rivotra ny hafa (trano fialofana mahatanty rivotra, tsy takatry ny ranobe..)
- Mametraka ny biby fiompy amin'ny toerana azo antoka (toerana hiarovana ny ain'izy ireo)
- Mihaino tsy tapaka ny onjam-peo sy ny fahitalavitra
- Mametraka ny fitaovam-pianarana amin'ny toerana azo antoka tsy takatry ny rano

3 - FILAZANA LOZA MITATAO

Handalo afaka ora vitsy eo amin'ny toerana misy anao ny rivodoza miaraka amin'ny oram-be sy ny tafio-drivotra.

Ny anjarantsika mponina:

- Mijanona anaty trano aty tsy mivoaka any ivelany intsony
- Mihaino tsy tapaka ny vaovaon'ny toetr'andro amin'ny radio sy ny televiziona
- Mijanona avokoa ny asa aman-draharaha rehetra (tsy mandeha mianatra ny mpianatra, tsy mandriaka ny mpanjono)

4- REHEFA MANDALO NY RIVODOZA

Ny anjarantsika mponina:

- Manàna saina tony sady kinga, tsy mikoropaka
- Mihaino tsy tapaka ny radio
- Manamafy, manidy tsara hatrany ny varavarana
- Tapaho ny herinaratra
- Misitriha ay ambany latabatra
- Aza mivoaka ny trano raha tsy voalaza fa foana avokoa ny filazana loza


5 - AORIAN'NY FANDALOVAN'NY RIVODOZA


Misy ny filazana amin'ny radio fa foana avokoa ny filazana loza
Mampidina ny sainan'ny rivodoza koa ny tompon'andraikitra

Ny anjarantsika mponina:

- Manadio ny trano fonenantsika sy ny manodidina
- Mamerina amin'ny laoniny ireo azo amboarina (tafo, varavarankely sy ny varavarana)
- Mifanampy amin'ny mpiara-monina amin'ny famonjena ireo tena voa mafy
- Rano avy nampangotrahina ihany na nodiovina tamin'ny fitaovana fampiasa amin'izany no sotroina
- Raha sanatria ka misy voina nitranga ao an-tokatranonao dia manantona tompon'andraikitra GRC eo amin'ny tanàna
- Manantona tobim-pahasalamana raha vao marary
- Mety hiakatra ny rano ka mila mitandrina hatrany


MOMBA NY RANOBE

- Mankany amin'ny trano fialofana
- Mankany amin'ny trano matanjaka misy lakambo
- Mametraka ny biby fiompy amin'ny toerana azo antoka
- Manomana ny fitaovana ilaina amin'nt fiatrehana ny loza toy ny lakana
- Manamafy ny sisin'ny lakandrano. 






Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire