Vao nitranga ny fahatapahan'ny tetezana tao Anjoman'Ankona (RN7 PK 19+950), ny alakamisy 6 febroary 2014, dia nanao izay vitany tamin'ny fanampiana ny mpampiasa iny lalana iny ny mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Croix-Rouge Malagasy sampana Anjoman'Ankona.
Nanangana trano fivoahana vonjy maika teny amin'ny andaniny sy ny ankilan'ny tetezana izy ireo. Nanampy ny nandrindra ny fiampitan'ny olona izay voatery nirobo-drano. Afaka andro vitsivitsy dia nanamboatra tetezana vonjy maika mba hiampitan'ny olona.
Naharitra enina andro no nanaovana izany asa izany maimaim-poana.
Mahirina fa ny sampana CRM Anjoman'Ankona dia anisan'ireo "kaominina filamatra" any amin'ny faritra Amoron'i Mania.
Lucie Raharisoa
Coordinatrice régionale
CRM Amoron'i Mania
mercredi 19 février 2014
lundi 10 février 2014
Vaovao CRM faritra ITASY
Fanadihadiana ifotony
Ao anatin’ny
fanamafisana ny rafitra CRM, dia voafidy ho isan’ireo kaominina handrana i
Soavinandriana Itasy. Tontosa soa aman-tsara ny dingana voalohany dia ny fanadihadiana
fototra, namakafakana ny faharefoana, sy ny fahafaha-miatrika ireo loza mpitranga
ao Soavinandriana. Olana momba ny rano fisotro madio no tena nampitaraina ny mponina. Tsikaritra
koa ny fiparitahan’ny fako sy ny rano maloto etsy sy eroa, ary koa ny fahalotoan’ny
ankizy indrindra amin’ny fokontany ambanivohitra. Ezaka miandry ny mpirotsaka
an-tsitrapo CRM ny hanova izany mba hananan’ny olona fahazarana tsara amin’ny fampiasana
ny rano ho fidiovana sy fanadiovana.
Ny CRM Soavinandriana
izay nanana mpirotsaka an-tsitrapo 17 dia nitombo avo roa heny izany tamin’ity taona
2013 ity ka ny firotsahan’ny tanora no tena nampisongadina izany. Tafakatra maherin’ny
20 ireo vaovao ka maro tamin’izy ireo no nandray anjara sahady tamin’iny fanadihadiana
ifotony natao tamin’ny volana septambra lasa teo iny.
Rafitra tanora CRM
Itasy
Ireo distrika telo eto
amin’ny faritra Itasy dia efa samy manana ny rafitra hitarika ny firotsahana
an-tsitrapo ataon’ny tanora avokoa, ka fananganana ny rafitra eo anivon’ny faritra
no dingana manaraka hotanterahan’izy ireo amin’ny fiandohan’ny taona 2014 io.
Fiaraha-miasa amin’ny Croix-Rouge Danoise
Ny faha 15
sy 16 oktobra lasa teo dia nitsidika ny faritra Itasy ry zareo avy ao amin’ny
Croix-Rouge Danoise. Noraisin’ireo mpitantana CRM ao amin’ny distrika
Arivonimamo izy ireo ka teo no nifampizarana ny tetikasa hitsinjovana ireo izay
tena marefo. Rehefa avy nijery ifotony dia hita fa tsy voaaro ireo toera-patsakana
ampiasain’ny mponina ka fanajariana sy fiarovana ny rano fisotro ao amin’ny kaominina
Arivonimamo no heverina ho tanterahina. Irariana
ny hitohizan’izao fiaraha-miasa izao.
Fitsidihan’ny Croix-Rouge Norvegienne
Tamin’iny volana
oktobra 2013 ihany, dia nitety faritra maro taty Itasy ireo delegasiona avy amin’ny
Croix-Rouge Norvegienne (CRNo). Ny tanjony dia ny hijery ifotony ny fomba fiainana
ankamaroan’ny Malagasy. Noraiketina an-tsary izany, miaraka amin’ireo ezaka izay
ataon’ny CRM. Nandritra izany dia zazavavy latsaky ny 14 taona, miisa 4 no nalaina sary.
Rehefa izany dia nampiana izy ireo tamin’ny fampidirina azy ireo indray
an-tsekoly ary novatsiana ara-pitaovam-pianarana sy fitaovana fidiovana ny fianakaviany.
Ankoatra izany, ireo ekipa
CRNo dia niezaka namakafaka ny fomba fiainan’ny mponina tamin’ny toerana maro:
Arivonimamo, Soavinandriana sy Miarinarivo ka anisan’izany ihany koa ny fanadihadiana
nataony tamin’ireo mpirotsaka an-tsitrapo. Nahaliana ny ekipa CRNo ny fahitany ny
fanentanana nataon’ireo mpirotsaka an-tsitrapo teto Miarinarivo : fanasana tanana
amin’ny savony sy ny ezaka fanaovana vaksiny ireo zaza latsaky ny 5 taona, izay
noraiketina an-tsary avokoa.
Fankalazana ny faha 50 taona ny CRM
Tamin’ny 6 aogositra teo no
notanterahina ny fankalazana manetriketrika ny faha 50 taonan’ny CRM ny taty
amin’ny faritra Itasy. Tao Miarinarivo no nanaovana ny lanonana ka
fampahafantarana ny Ainga iraisam-pirenena Croix-Rouge/Croissant-Rouge
tamin’ireo manam-pahefana sy mpirotsaka an-tsitrapo no natao. Tonga maro be ireo
nasaina. Ny fampahafantarana ny Ainga iraisam-pirenena sy ny CRM dia
notarihan’ireo mpitantana ny CRM Itasy, distrika Miarinarivo sy kaominina Miarinarivo.
Nandritra izany lanonana izany no nanolorana mari-pankasitrahana ireo mpitantana
CRM, miisa 31 mianadahy avy amin’ny kaominina 19, distrika 3 ary ny mpitantana ny
CRM faritra Itasy.
Tao
aorian’ny fankalazana tao Miarinarivo, ny CRM Arivonimamo ihany koa dia nanasa ireo
manam-pahefana sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy hiara-manamarika izany
taon-jaobily izany. Niarahaba sy nitsodrano manokana ny CRM ny solotenam-panjakana nandray fitenen
ana. Ankoatry ny fanolorana fifanomezan-tanana dia naneho fisaorana manokana azy
ireo noho ireo zava-bitan’ny CRM tao Arivonimamo ary nankahery ireo mpirotsaka
an-tsitrapo, mpikambana sy mpitantana izy amin’ireo ezaka rehetra mbola hotanterahan’ny
CRM.
Dina R.
Inscription à :
Articles (Atom)