lundi 10 février 2014

Vaovao CRM faritra ITASY


Fanadihadiana ifotony
Ao anatin’ny fanamafisana ny rafitra CRM, dia voafidy ho isan’ireo kaominina handrana i Soavinandriana Itasy. Tontosa soa aman-tsara ny dingana voalohany dia ny fanadihadiana fototra, namakafakana ny faharefoana, sy ny fahafaha-miatrika ireo loza mpitranga ao Soavinandriana. Olana momba ny rano fisotro madio no tena nampitaraina ny mponina. Tsikaritra koa ny fiparitahan’ny fako sy ny rano maloto etsy sy eroa, ary koa ny fahalotoan’ny ankizy indrindra amin’ny fokontany ambanivohitra. Ezaka miandry ny mpirotsaka an-tsitrapo CRM ny hanova izany mba hananan’ny olona fahazarana tsara amin’ny fampiasana ny rano ho fidiovana sy fanadiovana.
Ny CRM Soavinandriana izay nanana mpirotsaka an-tsitrapo 17 dia nitombo avo roa heny izany tamin’ity taona 2013 ity ka ny firotsahan’ny tanora no tena nampisongadina izany. Tafakatra maherin’ny 20 ireo vaovao ka maro tamin’izy ireo no nandray anjara sahady tamin’iny fanadihadiana ifotony natao tamin’ny volana septambra lasa teo iny.
Rafitra tanora CRM Itasy
Ireo distrika telo eto amin’ny faritra Itasy dia efa samy manana ny rafitra hitarika ny firotsahana an-tsitrapo ataon’ny tanora avokoa, ka fananganana ny rafitra eo anivon’ny faritra no dingana manaraka hotanterahan’izy ireo amin’ny fiandohan’ny taona 2014 io.
Fiaraha-miasa amin’ny Croix-Rouge Danoise
Ny faha 15 sy 16 oktobra lasa teo dia nitsidika ny faritra Itasy ry zareo avy ao amin’ny Croix-Rouge Danoise. Noraisin’ireo mpitantana CRM ao amin’ny distrika Arivonimamo izy ireo ka teo no nifampizarana ny tetikasa hitsinjovana ireo izay tena marefo. Rehefa avy nijery ifotony dia hita fa tsy voaaro ireo toera-patsakana ampiasain’ny mponina ka fanajariana sy fiarovana ny rano fisotro ao amin’ny kaominina Arivonimamo no heverina ho tanterahina.  Irariana ny hitohizan’izao fiaraha-miasa izao.

Fitsidihan’ny Croix-Rouge Norvegienne
Tamin’iny volana oktobra 2013 ihany, dia nitety faritra maro taty Itasy ireo delegasiona avy amin’ny Croix-Rouge Norvegienne (CRNo). Ny tanjony dia ny hijery ifotony ny fomba fiainana ankamaroan’ny Malagasy. Noraiketina an-tsary izany, miaraka amin’ireo ezaka izay ataon’ny CRM. Nandritra izany dia zazavavy latsaky ny 14 taona, miisa 4 no nalaina sary. Rehefa izany dia nampiana izy ireo tamin’ny fampidirina azy ireo indray an-tsekoly ary novatsiana ara-pitaovam-pianarana sy fitaovana fidiovana ny fianakaviany.
Ankoatra izany, ireo ekipa CRNo dia niezaka namakafaka ny fomba fiainan’ny mponina tamin’ny toerana maro: Arivonimamo, Soavinandriana sy Miarinarivo ka anisan’izany ihany koa ny fanadihadiana nataony tamin’ireo mpirotsaka an-tsitrapo. Nahaliana ny ekipa CRNo ny fahitany ny fanentanana nataon’ireo mpirotsaka an-tsitrapo teto Miarinarivo : fanasana tanana amin’ny savony sy ny ezaka fanaovana vaksiny ireo zaza latsaky ny 5 taona, izay noraiketina an-tsary avokoa.

Fankalazana ny faha 50 taona ny CRM
Tamin’ny 6 aogositra teo no notanterahina ny fankalazana manetriketrika ny faha 50 taonan’ny CRM ny taty amin’ny faritra Itasy. Tao Miarinarivo no nanaovana ny lanonana ka fampahafantarana ny Ainga iraisam-pirenena Croix-Rouge/Croissant-Rouge tamin’ireo manam-pahefana sy mpirotsaka an-tsitrapo no natao. Tonga maro be ireo nasaina. Ny fampahafantarana ny Ainga iraisam-pirenena sy ny CRM dia notarihan’ireo mpitantana ny CRM Itasy, distrika Miarinarivo sy kaominina Miarinarivo. Nandritra izany lanonana izany no nanolorana mari-pankasitrahana ireo mpitantana CRM, miisa 31 mianadahy avy amin’ny kaominina 19, distrika 3 ary ny mpitantana ny CRM faritra Itasy.
Tao aorian’ny fankalazana tao Miarinarivo, ny CRM Arivonimamo ihany koa dia nanasa ireo manam-pahefana sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy hiara-manamarika izany taon-jaobily izany. Niarahaba sy nitsodrano manokana ny CRM ny solotenam-panjakana nandray fitenen ana. Ankoatry ny fanolorana fifanomezan-tanana dia naneho fisaorana manokana azy ireo noho ireo zava-bitan’ny CRM tao Arivonimamo ary nankahery ireo mpirotsaka an-tsitrapo, mpikambana sy mpitantana izy amin’ireo ezaka rehetra mbola hotanterahan’ny CRM.
 Dina R.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire