mercredi 19 février 2014

Anjoman'Ankona: nandray andraikitra ny Croix-Rouge Malagasy

Vao nitranga ny fahatapahan'ny tetezana tao Anjoman'Ankona (RN7 PK 19+950), ny alakamisy 6 febroary 2014, dia nanao izay vitany tamin'ny fanampiana ny mpampiasa iny lalana iny ny mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Croix-Rouge Malagasy sampana Anjoman'Ankona.

Nanangana trano fivoahana vonjy maika teny amin'ny andaniny sy ny ankilan'ny tetezana izy ireo. Nanampy ny nandrindra ny fiampitan'ny olona izay voatery nirobo-drano. Afaka andro vitsivitsy dia nanamboatra tetezana vonjy maika mba hiampitan'ny olona.

Naharitra enina andro no nanaovana izany asa izany maimaim-poana.
Mahirina fa ny sampana CRM Anjoman'Ankona dia anisan'ireo "kaominina filamatra" any amin'ny faritra Amoron'i Mania.

Lucie Raharisoa
Coordinatrice régionale
CRM Amoron'i Mania

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire