vendredi 5 septembre 2014

Ny tsara ho fantatra mikasika ny aretina EBOLA






Inona ny atao hoe aretina Ebola?

  • Mbola tsy nahitanà tranga kosa eto Madagasikara hatramin’izao fotoana izao
  • Tamin’ny taona 1976 no nahitana trangan’ity aretina ity voalohany. Araka ny fantatra dia ny Ramanavy « frigivores » no mitondra ny tsimok’aretina Ebola
Ahoana ny fifindran’ny Ebola?
  • Ny Ebola dia mifindra amin’ny fifampikasohana amin’ny rano tsiranoka mivoaka amin’ny vatan’olombelona toy ny : hatsembohana, rà, pipi, kàkà, rora sy tsirin’ain’ny lehilahy (sperme)
  • Mety mifindra amin’ny fampiasana fitaovana avy nampiasaina tamin’ny olona voan’ny Ebola ka tsy voadio ihany koa toy ny : fitafiana, fandriana, lamba firako
  • Ny Ebola dia areti-mandoza ary mifindra. Efa firenena 5 izao no misy azy any Afrika: Sierra Leona, Liberia, Guinée, Congo sy Senegal.
  • tra, fanjaitra fanindronana…
  • Tsy mifindra amin’ny rivotra ny Ebola. Fa ny olona nifandray mivantana tamin’ny olona voa no ahiana hifindrany
  • Ny razan’ny olona voan’i Ebola ihany dia mbola mitahiry ny tsimok’aretina ka mamindra. Mila mitandrina


Iza no tena ahiana ahazo ny Ebola?
  • Mpiasan’ny fahasalamana
  • Fianakaviana sy ireo olona mifanerasera akaiky amin’ny olona voan’i Ebola

Ahoana ny fisehon’i Ebola ?
  • Manavy be tampoka. Mahatsiaro havizanana be tampoka ny vatana. Marary an-doha sy tenda. Ireo no fisehon’ny voalohany
  • Avy eo dia lasa mandoa matetika, mivalana be, ary mety manao vaky rà (hémmoragie) anatiny ka mety ho hita mivoaka ety ivelany, na tsia
  • Eo amin’ny 2 hatramin’ny 21 andro ny fotoana fiotrehan’ny tsimok’aretina ao anaty vatana mialoha ny hisehoany ety ivelany (période d’incubation).
  • Mamindra avy hatrany ilay olona vantany vao miseho ireo tranga voalaza ery ambony ireo. Tsy mamindra kosa anefa mandritra ny fotoana fiotrehan’nt tsimok’aretina ao anaty vatana
  • Misy hitovizana amin’ny fisehon’ny Tazomahery sy ny Cholera ny Ebola. Raha mahatsikaritra olona toa ny voan’ny tazo na choléra ianao eo amin’ny manodidina anao dia amporisiho hanantona tobim-pahasalamana haingana dia haingana sao sanatria Ebola
Ahoana ny fomba fitsaboana ny Ebola?

  • Mbola tsy misy fitsaboana tena sahaza ny Ebola ankehitriny. Tsy mbola misy vakisiny ihany koa
  • Satria very rano be ilay marary vokatry ny fandoavana sy ny fivalalana matetika dia ezahina hampidirana rano araka izay azo atao ny vatany hanolona ny rano very
  • Omen’ny mpitsabo fanafody manamaivana ny fanaintanana sy mampijanona ny vaky rà ny marary
  • Satria maharitra 2 hatramin’ny 21 andro ny fotoana fiotrehan’ny tsimok’aretina dia tokony arahimaso akaiky ihany koa ny fahasalaman’ny fianakaviany sy ireo olona mifaneserasera akaiky amin’ny marary
  • Ny olona iray tratran’ny aretina Ebola dia mety ho voatsabo raha toa ka mamonjy tobim-pahasalamana vantany vao miseho ny trangan’aretina
  • Ho fisorohana ny fihanahan’i Ebola dia tsy maintsy hatoka-monina ireo olona ahiana hitondra ny tsimok’aretina sy ireo efa marary
Tsy maintsy maty ve ny olona voan’ny aretina Ebola?
  • Na dia efa maro ary ireo olona matin’ny aretina Ebola dia misy dia misy tokoa ireo olona nahatohitra ny aretina
  • Ny lehilahy avy sitran’ny Ebola kosa dia mety hamindra amin’ny vadiny na ny sakaizany amin’ny alalan’ny tsirin’aina (sperme), ao anatin’ny 7 herinandro aorian’ny nahasitranany. Noho izany dia entanina izy ireo tsy hanao firaisana ara-nofo mandritra ny 7 herinandro na hampiasa fimailo
  • Rehefa misy mampiahiahy dia tsara foana ny manantona toeram-pitsaboana avy hatrany
Inona no tokony hatao tsy ahazoana io aretina io?

  • Raha mahita olona mampiahiahy ianao eo amin’ny fiaraha-monina misy anao dia entano avy hatrany hanantona tobim-pahasalamana tsy misy hatak’andro.
  • Sasao matetika amin’ny rano mafana sy ny savony ny tanana rehefa avy any amin’ny toeram-pivoahana sy mialoha ny hikarakarana sakafo
  • Fadio ny mihinana biby maty tsy fantatra antony na mikirakira fatim-biby
  • Ataovy tsara masaka hatrany ny hena vao hohanina
  • Ampahafantaro ny manodidina anao fisehon’ny aretina Ebola

 Mety hamindra ve ny razan’ny olona voan’i Ebola?
  • ENY
  • Fadio ny mikasika olona matin’i Ebola fa tena mamindra tokoa
  • Raha azo atao dia aza manatrika ny fandevenana
  • Raha tsy maintsy manatrika ny fandevenana ianao dia manaova akanjo lava tanana sy pataloha lava ary aza mikasikasika ny razana.
Fa nahoana ireo mpiasan’ny fahasalamana mikarakara ny mararin’ny Ebola no manao ireny fitafy misalobona be ireny ?
  • Tsy maintsy manao ireny fitafiana misalobona be ireny tokoa ny mpiasan’ny fahasalamana mikarakara ny mararin’ny Ebola mba tsy hifindran’ny tsimok’aretina amin’izy ireo.
  • Ireo olona rehetra izay mikarakaraka ny marary ihany koa dia tokony hanao izany mba tsy hifindran’ny aretina aminy
  • Aoka ho ireo tompon’andraikitra efa voahofana amin’izany ihany no hikirakira ny razan’ireo olona matin’ny aretina Ebola

FICR / Nadikan’ny Serasera CRM
Septambra 2014

jeudi 17 juillet 2014

Andro iraisam-pirenena hoan’ny Mponina tany Manakara : nandray anjara feno ny CRM

Natao tany Manakara, faritra Vatovavy Fitovinany ny fankalazana nasionaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Mponina ka ny minisitry ny Mponina sy mpikambana maro ao amin’ny governemanta no tonga nanatrika izany.
Ny 10 Jolay  dia efa tonga nitsidika ny biraom-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tany ny minisitry ny Mponina  ka nijery manokana ny toerana natokana ho fialambolin’ny tanora sady nitafa tamin’ireo tomponandraikitra ary ireo tanora.
Nisy ihany koa ny fitsidihana ny Centre Manovo izay tantanin’ny Ong RTM ao Manakara izay Birao hiasan’ny Croix-Rouge Malagasy (CRM)  sy ny PAM ihany koa. Io ivon-toerana io dia toeram-pamakiam-boky sy fanovozana fahalalana. Ahitana boky, rakitsoratra sy ny gazety ny CRM ihany koa ao.
 
Ny 11 Jolay no ivon’ny fankalazana ka nisy ny Carnaval lehibe sy ny kabary nifandimbiasana ary ny fitsidihana ireo tranoeva ny tapany maraina. Ny tolakandro kosa dia nisy ny rindran-kira niarahana tamin’ny  tarika Da Tokotry sy ny Conférence débat momba ny lohahevitry ny fankalazana dia ny hoe « AMPANJARIANA NY TANORA ANTOKY NY HO AVY  ». Nihetsika daholo ireo hery velona rehetra tao Manakara nanotrona ireo fotoan-dehibe ireo ka isany nandray anjara feno ny CRM, tamin’ny Carnaval sy ny Poste de secours. Nahatratra 18 ireo mpilatsaka an-tsitrapo no nohetsehina tamin’izany ary tombanana ho 2500 any kosa ireo olona nahazo tombontsoa tamin’ny Poste de Secours io . Marihina fa ny fitsidihana naton’ireo minisitra sy ireo olo-manan-kaja maro ny Poste de secours ka nahafahana namelabelatra ny andraikitra sy ny asa sahanin’ny CRM sy ny Jeunesse Croix –Rouge.
 
Mbola nitohy ny Asabotsy 12 Jolay ny fankalazana  ity ka ny fanokafana amin’ny fomba ofisaly ny tetikasa hiadiana amin’ny aretina mpahazo ny vehivavy mamany lava na ny « Fistule obstétricale »  ka ny Praiminisitra sady Minisitry ny Fahasalamana no hanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy tao Manakara.

Vonjy Tsivalia Hajanirina
Mpandrindram-paritra CRM Vatovavy Fitovinany