mercredi 9 avril 2014

FAMETRAHANA IVOTOERAN’NY CRM FARITRA IHOROMBE SY NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY CLIC TARATRA IHOSY



Ankoatra ny fanampariahana mahazatra ny foto-kevi-dehibe sy ny soatoavin’ny Croix-Rouge (promotion des principes et valeurs humanitaires) dia namolavola  paikady iray ny CRM faritra Ihorombe amin’ny alalan’ny fametrahana ivotoerana CRM ahitana ireo boky, gazety, “dépliants”, “brochures” mirakitra ny Croix-Rouge. Izany dia hoentina hikendrena ireo mpamaky boky aty an-toerana.
Ny ivotoerana famakiam-boky CLIC TARATRA no nanaiky hiara-hiasa tamin’ny CRM Faritra Ihorombe rehefa nisy ny fifanatonana sy ny fifampiresahana. Niroso tamin’ny famolavolana ny fifanaraham-piaraha-miasa izany mba tsy hijanona am-bava fotsiny. 

Rehefa samy afa-po ny roa tonta dia niroso tamin’ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny 04 aprily 2014 lasa teo. Ny Filohan’ny Komity Mpitantana ny CLIC TARATRA, RAKOTOVOAVY Zazah andaniny sy ny Filoham-paritry ny CRM Ihorombe, ANDRIANIAINA Dieu Donné izay nomena fahefana nisolontena ny CRM ankilany, no niara-nanao sonia ny fiaraha-miasa. Fotoana ihany koa nanehoana ny talantalana natokana ho an’ny CRM ahitana ireo boky, gazety, “dépliants”, “brochures” miisa 66 izay enti-miainga. Ny CICR no namatsy boky maro indrindra tamin’ireo ka isaorana manokana.
Maro ny tomponandraikitra nanome voninahitra ity soniam-piaraha-miasa ity raha tsy hitanisa ireo mpikamban’ny Komity Mpitantana sy ny mpanentan’ny CLIC, ny solontenan’ny Kaominina Ambonivohitra Ihosy, ny CISCO Distrika Ihosy ary ny avy amin’ny CRM nahitana ny olomboafidy sy ny teknisianina eo anivon’ny Faritra sy ny Distrika Ihosy.
Samy nanasongadina ny maha zava-dehibe ity fiaraha-miasa ity ny mpandaha-teny nandritra ny  kabary nifandimbiasana. Sambany no misy mpiara-miombonantoka aty an-toerana tahaka izao mamelo maso ity ivotoerana famakiam-boky ity hoy Filohan’ny Komity Mpitantana fa dia ny vazaha foana no hany nianteherana ka nisaorany sy niderany ny CRM izao fiaraha-miasa izao.
Tsy nisalasala ny solontenan’ny CISCO nangataka mba hametrahana boky toy izao ihany koa any amin’ny CRP “Centre des Ressources Pédagogiques” mieli-patrana any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ranohira, Ambatolahy, Soamatasy ary Analavoka.

Natao teto Ihosy faha 7 aprily 2014                        
Iavitsara Marcellin RANDRIAMANANA
    Mpandrindram-paritra Ihorombe

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire