jeudi 17 avril 2014

Fantaro ny EMBLEME CROIX-ROUGE



Ny Mari-pamantarana Croix-Rouge (Emblème) dia mari-pamantarana mora hay. Nefa tena mahafantatra ny dikany sy ny fampiasana azy ve ny rehetra ?

INONA NO ATAO HOE EMBLEME CROIX-ROUGE ?

Mari-piarovana raha misy ady na korontana. Ny Emblème dia mora hita, ary ampiasaina mba hamantarana ireo olona tokony harovana, tsy hotifirina sy tsy hosamborina mandritra ny fifandonana.
Mari-panavahana amin’ny fotoana andavanandro. Ny Emblème dia hamantarana manokana fa fananan’ny Croix-Rouge ny fitaovana na ny trano misy azy, ary Membre na Volontaire Croix-Rouge ny olona mitondra azy.

ENDRINY






 na

 

        
na
 





Raha mari-piarovana : lehibe sy mora hita avy lavitra, tsy maintsy menamena sy tokotany fotsy, tsy misy soratra hafa, ekena na dia ratsy endrika aza.
Raha mari-panavahana : kelikely, azo asiana soratra na marika misy ny anaran’ny Croix-Rouge isaky ny firenena (ohatra : Croix-Rouge Malagasy), tsy mikasika amin’ny sisiny ny lakroa sy ny soratra fa afovoany tsara.

NY TANTARANY

150 taona lasa izay, ingahy Henry Dunant sy ny namany soisy efa-dahy, no namorona ny lakroa menamena amin’ny tokontany fotsy mba hamantarana ny Volontaire tsy miandany mpamonjy tsy ankanavaka ireo maratra an’ady. Noraketina antsoratra izany ka nankatoavin’ny firenena maromaro tanaty fihaonambe fa tsy mandray anjara amin’ny ady ny olona mitondra io mari-pamantarana io ka tokony harovana. (Première Convention de Genève)
Tsy mitondra fitaovampiadiana ireo mpamonjy maratra ambava ady ireo fa ny mari-pamantarana Croix-Rouge no hany fiarovana ho azy.

IZA NO AFAKA MAMPIASA AZY ?

Ny ainga iraisampirenena Croix-Rouge irery ihany no mahazo mampiasa ny mari-pamantarana amin’ny fotoana misy ny fandriampahalemana : ny CICR, ny Federasiona Croix-Rouge ary ny Croix-Rouge isaky ny firenena (Société Nationale). Tsy maintsy arahina ny lalàna sy fitsipika eo momba ny fampiasana azy : rehefa manao ny asan’ny Croix-Rouge ihany.
Tsy azon’ny olon-tsotra tsy Croix-Rouge atao ny mampiasa ny Emblème. Ny poste de secours sy ny ambulance raha manao vonjy voina maimaimpoana dia afaka mampiasa azy rehefa nahazo alàlana mialoha avy amin’ny Société Nationale.
Ny fananan’ny Croix-Rouge dia tsy asiana Emblème raha tsy ny Croix-Rouge no mampiasa azy (ohatra: trano ampanofaina…)
Amin’ny fotoana misy ny ady kosa dia ny mpitsabo miaramila sy ny mpampivavaka miaramila no mampiasa ny Emblème. Amin’ny fotoana misy ny ady dia mangataka fahazoandalana amin’ny fanjakana ny Société nationale mialoha ny hampiasany ny Emblème ho an’ny Volontaires mpamonjy maratra. Ny CICR sy ny Federasiona dia mahazo mampiasa azy tsy miera.

INONA NO AFAKA ATAONAO MEMBRE NA VOLONTAIRE ?

Adidin’ny Membre sy ny Volontaire ny mampahafantatra ny Croix-Rouge amin’ireo olona manodinina azy sy ny fiarahamonina misy azy. Tafiditra amin’izany ny fampahafantarana ny Emblème sy ny fampiasana azy. Raha sanatria mahita tranga na fampiasana Emblème tsy ara-dalàna dia azo atao ny miteny ampanajàna sy manoro ny mety sy ny tsy mety.
Tadidio fa miankina amin’ny fitondrantenantsika ihany koa ny hasina omen’ny olona ny Emblème.

Fantatrao ve ?

Diso ary tsy fiteny ny fanagasiana hoe « Vokovoko Mena ». Antony? (1) Efatra ny teny ofisialy ampiasain’ny Croix-Rouge manerantany : frantsay, anglisy, espaniola ary arabo. (2) Ny didimpitondrana  laharana 63-489 tamin’ny 7 Aogositra 1963 dia nametraka mazava ny anaran’ny Croix-Rouge Malagasy.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire