mercredi 30 avril 2014

Faritra Atsimo Andrefana: hitsinjo manokana ny vehivavy...



Vita sonia tamin'ity volana aprily 2014 ity ny taratasy fifanarahana iarahan’ny Federation iraisam-pirenen'ny Croix-Rouge sy  ny Croix-Rouge Malagasy ary ny Croix-Rouge Norveziana, hanao ny  tetikasa momba ny fitantanana ny fadimbolan’ny vehivavy mandritra ny loza voajanahary.   
Fanadihadiana  no atao  ahafantarana ny filan’ny  vehivavy sy ny fomba hitantanany ny fandimbolany ary ny tokony atao mba ahafahan’izy ireo miaina milamina sy ara-pahasalamana mandritra io fotoana io. Mandritra ny eni-mbolana no faharetan’io tetikasa io  ka ny faritra Atsimo Andrefana, Ankililoky sy Miary no hanaovana izany.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire